Ny mpino miatrika ady
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Oktobra 2020
1 TANTARA 14.8-17
1 TANTARA 14.8-17
8 [Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy. 9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita. 10 Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy. 11 Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima*.[Bala-perazima = Tany nahavakiana] 12 Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo. 13 Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray. 14 Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama. 15 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina. 16 Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. 17 Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.Ny mpino miatrika ady
1-Manontany an’ Andriamanitra
« Ary Davida nanontany an’ Andriamanitra …Dia hoy i Jehovah , miakara fa hatolotro eo an-tànanao izy » (and10) .
Vao voahosotra ho mpanjakan’Israely rehetra i Davida dia tonga hiady taminy tao Refaita ny Filistina . Nanontany an’ Andriamanitra i Davida na hiaraka aminy Izy na tsia . Rehefa nambaran’ Andriamanitra taminy fa hampandresy azy Izy , dia niroso tamin’ny ady i Davida ka dia nandresy . Nanankina ny adiny tamin’Andriamanitra i Davida fa tsy niankina tamin’ny heriny sy ny fahaizany miady . Araka izany , ny olom-boahosotr’ Andriamanitra miatrika ady dia tsy maintsy manankina ny adiny amin’Andriamanitra mba hanehoan’Andriamanitra ny heriny , hahazoana fandresena ao anatin’ izany . Ny modely amin’izany dia i Jesoa Kristy .
2-Manaiky hotarihan’ Andriamanitra
« aza mandeha…miaingà amin’izay hiady , fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra » (and14,15)
Taty aoriana , tonga tao Refaita indray ny Filistina hanafika an’iDavida . Rehefa avy nanontany an’Andriamanitra indray i Davida , dia nanome torohevitra azy Andriamanitra , ary nanaraka izany izy . Vokany : resy tosika ny miaramilan’ny Filistina . Rehefa miatrika ady dia araho ny torohevitra sy ny toromarika omen’Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny teniny sy ny bitsiky ny Fanahy Masina , fa aza mandeha araka ny sitraponao mba hahitanao ny fahombiazana eo amin’ny ady atrehanao miaraka amin’Andriamanitra , ary izany no nahatonga an’i Jesoa Kristy nandresy hatramin’ny herin’ny fahafatesana aza satria nanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra .
Fanontaniana :
Raha sendra olana sy zava-manahirana hianao, ahoana ny fomba fiatrehanao izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM