Ny mpino miantehatra amin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 29 Septambra 2020
OHABOLANA 16.1-7
OHABOLANA 16.1-7
1 Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah. 2 Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy. 3 Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao. 4 Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza. 5 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa* tsy maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia] 6 Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy. 7 Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.Ny mpino miantehatra amin’Andriamanitra
1-Manankina tanteraka ny asa Aminy
Ny hoe: manankina ny asa amin’ny Tompo dia midika fa mametraka feno eo am-pelatànany ny fizotry ny asa. Mandray ny toromarika avy Aminy, miandrandra ny fitahiana sy ny fahasoavany , manaiky ny fitantanany ary manantena ny fiarovany mandrakariva. Eo amin’ny fiainana andavanandro dia samy manana izay tarazo mahazatra azy ny tsirairay. Misy ny miankina amin’ny razana , ao ny miankina amin’ny vola aman-karena , ny voninahitra . Misy ny miantehatra amin’ny olombelona tahaka azy ihany . Ny mpino miantehatra amin’ny Tompo kosa dia manankina feno ny asany amin’Ilay Mpahary izay mpanorina izao rehetra izao amin’ny finoana tanteraka.
2-Mahazo valimbavaka
Midika izany fa ilay fikasana , ilay nofinofy , nankinina tamin’ny Tomo dia indro fa tanteraka soamantsara . Tontosa an-tsakany sy andavany , vita ara-potoana ary ahafahana mijoro ho vavolombelona fa tena miasa ny Tompo , manolo-tsaina Izy . Fomban’i Jesoa mihitsy rehefa manatanteraka ny andraikitra nankinina taminy ny tsy mijanona antenatenany na sanatria mihemotra fa miroso hatramin’ny farany ka indro Izy miteny hoe :« vita » (Jao 19.30). Miasa ary mamaly vavaka ny Tompontsika .
Fanontaniana :
Manomeza ohatra amin’ireo valimbavaka efa azonao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM