Ny mpino  mandray  fananarana avy amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Martsa 2017

Vavolombelon’ny fananarany ny Tompo

LIOKA 12.1-12
1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[*Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema] 2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. 3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano. 4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[*Gr. Gehena] 6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. 7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. 8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra; 9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] 11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo; 12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

Ny mpino  mandray  fananarana avy amin’ny Tompo

 

1-Matahotra an’ Andriamanitra

Mampitandrina ny mpianatra mba tsy hanahaka ny fiainan’ny Fariseo i Jesoa Kristy . Fariseo izay milaza ho mandeha  amin’ny fahamasinana ,  mpivavaka marina  kanefa mpihatsaravelatsihy  . Izany  hoe : maneho  fiainana  ivelany feno  fahatsarana izy ireo kanefa ny toetra ao anatiny  dia mbola rakotry  ny aizina . Miaina amin’ny faharatsiana , tsy matahotra an’ Andriamanitra .Mitaona antsika araka izany ny Tompo , manana fiainana feno fahatahorana an’ Andriamanitra . Ialao ny fihatsarambelatsihy fa mitondra  ho amin’ny fahaverezana izany .

2-Matoky ny fitondran’ Andriamanitra

Miaina  amin’ny fihatsarambelatsihy  ny olona  matetika  satria tsy te-ho ratsy  amin’ny mpiara-belona aminy , matahotra  ny ainy  , ny ho aviny .Mampianatra  ary eto ny Tompo , eny  manome toky  ny mpanara-dia Azy fa tsy tokony hatahotra olona ny mpino . Andriamanitra  irery ihany no tokony hatahorana . Koa rehefa miaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra ny olona dia azo antoka ny famonjen’ Andriamanitra , azo antoka ny fiarovan’ Andriamanitra . Fiainana azo  antoka ny omeny ny olony .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM