Ny mpino mandray fananarana

Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Septambra 2022

2 TIMOTY 4.1-8

2 TIMOTY 4.1-8
1 Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. 6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.

Ny mpino mandray fananarana

1-Mazoto hatrany

« mazotoa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana » .Mampita hafatra sy mananatra an’i Timoty eto .Manafatra izy mba hazoto hatrany amin’ny fanompoana i Timoty .Izay tena mandray fananarana dia maharesy ny hakamoana sy ny fahalainana ary ny fnagatahana andro .

2-Resy lahatra

« mandrese lahatra » (and2). Ny olona resy lahatra no afaka handresy lahatra .Miorina tsara ao amin’i Jesoa Kristy izy, ary mandresy lahatra ny hafa hino sy handray an’i Jesao .Resy lahatra noho ny fihainoana nyTenin’Andriamanitra , ary mandresy lahatra amin’ny fitoriana Filazantsara avy eo .

3-Mahonona tena

« ianao kosa , mahonona tena amin’ny zavatra rehetra » (and5) .Manafatra an’i Timoty iPaoly eto .Mampita fanilo izy ka mila fahamatorana tsara ny andraikitra amin’ny asa fitoriana .Mandresy ny fakampanahy rehetra , tsy manaiky ho voataona amin’ny fitaoman-dratsy rehetra ny mpino .

4-Mandova ny fiainana mandrakizay

Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay nomen’ny Tompo » ( 2 Tim 4.8).Fantatr’iPaoly fa efa mamaraparana ny zara fanompoany eto amin’ity tany fandalovana ity izy . Nambarany fa efa atolotra sahady izy ary efa mby akaiky ny andro fialany (and6).Vonona tanteraka anefa i Paoly ary mahatoky feno fa handova ny fiainana mandrakizay .Iriny indrindra mba hanana fanantenana mafy orina sady handova ny fiainana toa azy ireo rehetra »izay tia ny fisehoan’i Jesoa Kristy »

Fanontaniana :

Inona avy ireo toetra mampiavaka ny iraky ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM .