Ny mpino mahatoky
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Aogositra 2020
MATIO 24.42-51
MATIO 24.42-51
42 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. 43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona. 45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana? 46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. 47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, 49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, 50 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, 51 dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[*Na: hokapohiny mafy]Ny mpino mahatoky
1-Miambina (andro no resahana)
Zava-miafina tsy takatry ny saina ny amin’ny andro sy ny ora hiavian’i Jesoa . Tsy misy mahalala na afaka hahalaza izany . Hery very maina izay mety ho faminaniana miezaka hamantatra ny andro hiavian’ i Kristy . Noho izany dia miambena mandrakariva . Ny hoe :« miambena » eto dia endrika mandidy amin’ny fotoana ankehitriny , izay milaza ny fotoana tsy ankiato, mitohy ho amin’ny ho avy koa. Mila miambina isika ,tsy ho variana, na hangataka andro lava , na ho anisan’ny mpangataka andro hibebahana . Ho avy ny Tompo , nefa tsy fantatra izay fotoana hiaviany ka miambena mandrakariva.
2-Miomana ( ny ora indray no resahana eto)
Ny ora tsy ampoizina izay ihavian’Kristy eto no resahana amintsika mpamaky ka ampiomana antsika . Izany dia ny ora hahatongavany indray handray ny mino ho any Aminy . Avahan’ny Tompo izay mahatoky amin’ny Teny nomeny ka naharitra tamin’ny fanaovana ara-drariny ny asa nankinina taminy (and45) . Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izany mpanompo izany raha avy Izy (and46). Aza manao antsirambina , ka manao hoe : « Maharitra ela ny tompoko » (and48) , ka hikapoka ny mpanompo namana sy hiliba miaraka amin’ny mpimamo (and49) . Tsy fantatra ny ora , ka aoka hiomana mandrakariva isika ary mijanona ho mahatoky hatrany ho vavolombelony mandra-piaviny eny amin’ny rahon’ny lanitra.
Fanontaniana :
Mby aiza ny fiambenana sy fiomanana eo aminao fa ho avy ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM