Ny mpianatry ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Septambra 2022
Ny mpianatry ny Tompo
1-Olom-boantso
Niantso ny mpianany i Jesoa (and1). Nantsoin’ny Tompo amin’ny anarany tsirairay avy ireo mpianatra 12 lahy . Fantany tsara ireo ary nofidiany tao anatin’ny maro .Tsy ilay andraikitra nahafantarana azy taloha intsony no hahafantarana ireo , fa mpianatry ny Tompo ireo Apostoly ireo . Ho anao koa : kristiana ianao ankehitriny , olom-boantson’ny Tompo , olom-boafidy manokana ,omena fahefana , malala eo imason’ny Tompo , be voninahitra sady tiany. .Fahefana hamoaka fanahy maloto
2-Nomena fahefana manokana
Nanome fahefana azy ireo Jesoa (and1b). Fahefana hamoaka fanahy maloto, hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra .Tsy hamaha olana ara-panahy ihany ny fahefana nomena azy ireo fa mahakasika ny olona manontolo dia saina , vatana ihany koa.
3-Nomena iraka manokana
Nirahin’i Jesoa ireo ka nodidiany ho any amin’ny ondry very any amin’ny taranak’Israely . Misy firotsahana mivantana amin’ny iraky ny Tompo .Misy toerana aleha ary misy ondrin’nyTompo izay mila famonjena .Tsara ny mihaino sy mandray fampianarana fa efa fotoana firotsahana an-tsehatra amin’ny iraky ny Tompo izao .
4-Mahita fahombiazana
« ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny « (and10b).Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .
Fanontaniana:
Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’nyTompo
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM