Ny mpianatr’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Oktobra 2020
ASAN'APOSTOLY 4.5-17
ASAN'APOSTOLY 4.5-17
5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna 6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe. 7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? 8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona, 9 raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. 11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). 12 Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. 13 Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy. 14 Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny. 15 Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy 16 ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. 17 Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.Ny mpianatr’i Jesoa Kristy
1-Maneho ny heriny
« …ny Anaran’i Jesoa Kristy …Izy no itsanganan ‘io lehilahy io finaritra eto imasonareo » (and10)
Rehefa nadinin’ny manam-pahefana ny amin’ny nahafahan’ilay lehilahy malemy tongotra nitsangana sy natanjaka i Petera , dia niteny tamin’ny fahasahiana avy amin’ny Fanahy Masina , fa ny Anaran’i JESOA KRISTY ,Ilay efa nitsangana tamin’ny maty no nahatonga io lehilahy io nisangana. Araka izany , ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy misalasala maneho ny asa lehibe efa nataon’i Jesoa ho famonjena ny olona, na dia misy aza ny fanenjehana mavaivay ho fanoherana izany . Koa asehoy amin’ny olona ny asa lehibe efa nataon’i Jesoa ho vavolombelon’ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty .
2-Manambara ny maha-Mpamonjy tokana Azy
« fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena »(and12b)
Tsy nijanona hatreo amin’ny filazana ny herin’ i Jesoa mitondra fanasitranana sy tanjaka ihany ry Petera , fa nitohy tamin’ny filazana fa ny Anaran’i JESOA KRISTY no hany Anarana tokana hahazoan’ny olona famonjena . Koa na aiza na aiza ary na amin’iza na amin’iza no hitadiavan’ny olona famonjena amin’ny olana sy ny aretina mahazo azy dia ho zava-poana ihany izany , raha manamaivana ny Anaran’i Jesoa Kristy izy, tahaka ny nataon’ireto manampahefana izay manohitra ny Anaran’i Jesoa dia sahy mijoro ho vavolombelona fa tokana ihany ny Mpamonjy izao tontolo izao dia JESOA KRISTY.
Fanontaniana :
Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa anao , inona ny fomba entinao maneho ny heriny eo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM