Ny mpianatr’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Martsa 2023
EFESIANA 4.17-24
EFESIANA 4.17-24
17 [Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy; 18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony, 19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana. 20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy, 21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy, 22 mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [* Gr. olonareo] 23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, 24 ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]Ny mpianatr’i Jesoa Kristy
1-Manana ny fahamarinan’iKristy
« fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy « (and20)
Fiaraha-monina nanjakan’ny fijejojejoana sy fahalotoam-pitondrantena samihafa ny tao Efesosy . Nanoloana izany dia nananatra ny kristiana tany i Paoly Apostoly mba tsy haka tahaka izany toetra izany satria mpianatr’i Kristy izy ireo . Araka izany ,ny olona manana ny fampianaran’i Kristy dia tsy manaraka ny fanaon’ny jentilisa fa manaraka ny fampianaran’i Kristy . Koa taomina ny kristiana rehetra izay efa nianatra tamin’i Kristy mba hiala amin’ny fanaon’ny Jentilisa izay maneho fahamaizinan-tsaina sy fitiavan-tena fa mba handeha araka ny fampianaran’iKristy kosa. Miala amin’ny filana mampisaraka amin’Andriamanitra .
2-Manana fiainam-baovao
« fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo » (and23)
Ny fiainam-baovao tiana ambara eto dia ny fiombonana amin’i Kristy izay mitarika ho amin’ny fiovan’ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana .Tsy misy afa-tsy ny fahariana vaovao ataon’Andriamanitra anefa no hahatanteraka izany . Famafana ireo olombelona taloha ho tonga olom-baovao manana fahamarinana sy fahitsiana .Koa noho izany ,ny olona manana fiainam-baovao ao amin’i Kristy dia olona manana fiombonana tanteraka amin’i Kristy ,miaina ny fahamasinana araka an’Andriamanitra ,mihazona ny fahamarinan’ny fampianarana araka an’i Kristy .Izany hoe : manana toetra sy fomba fiainana vaovao mifanaraka amin’ny Filazantsara . Koa maneke hohavaozin’iKristy amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina indray anio .
Fanontaniana :
Inona nosakana tsy anananofiainam-baovao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM