Ny mpianatra tia an’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Jolay 2021

Jaona 21. 15 - 22

Jaona 21. 15 - 22
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. 16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. 17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. 18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. 19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. 20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? 21 Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity? 22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.

Ny mpianatra tia an’i Jesoa Kristy

1- Mamahana sy miandry ny ondriny

« Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. » (And. 17)

Baiko iray nambara tamin’ny fomba telo no nataon’i Jesoa tamin’i Simona rehefa avy namaly ny fanontanian’i Jesoa izy. Intelo ny nandavan’i Simona an’i Jesoa, intelo ny fanontanian’i Jesoa, intelo ny valin-tenin’i Petera, izay niafara tamin’ny alahelo. Tian’i Jesoa Kristy hamafisina tsara ny ny fahavononan’ny olona izay manaiky ho mpianany ho amin’ny famahana ny ondriny. Mpianatra tsy mora mandà an’ i Jesoa ka hiala amin’ny fiandrasana sy ny famahanana ny ondrin’i Jesoa na dia ao anatin’ny sarotra aza. Raha tianao àry i Jesoa Kristy, ataovy tsara ny asany ampanaovina anao.

2- Mijery ny tenany fa tsy ny hafa

« …Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. » (And. 22)

Tamin’izany fotoana izany, niely ny resaka fa tsy ho faty i Jaona, ilay mpianatra tian’i Jesoa, mandra-piaviany fanindroany indray. Tonga tany amin’ny mpianatra izany tsaho izany, ary izany no nahatonga ny fanontanian’i Petera hoe: « Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity?  » (And. 21). Nanorina ny finoany sy ny fisainany tamin’ny tsaho sy honohono i Petera fa tsy tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa tsy miorina amin’ny Tenin’i Jesoa Kristy ny mpianany dia ho diso hevitra, ary sahiran-tsaina amin’ny tsaho sy ny resaka aelin’ny olona. Koa ataovy marina ny fanarahanao an’i Jesoa Kristy . Miorena amin’ny finoana ny Teniny izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina, dia tsy handairan’ny tsaho sy ny resaka tsy mahasoa miely.

Fanontaniana :

Inona avy ny ataonao hanehoanao ny fitiavana an’i Ktristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM