Ny mpianatra mitandrina ny didin’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Febroary 2024

Jaona 15 : 9-16

Jaona 15,9 - 16
9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. 11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. 16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Ny mpianatra mitandrina ny didin’i Jesoa Kristy

1- Tena sakaizan’i Jesoa tokoa

Mitarika ny mpianatra hiaina amin’ny didim-pitiavana eto i Jesoa Kristy. Tokony hifankatia ny samy mpanaradia Azy. Tsapan’i Jesoa Kristy ny fitiavan’ Andriamanitra Rainy (and.9) ka nahatonga Azy hankatoa ny baikon’ny Rainy. Nitia ny mpanaradia Azy i Jesoa Kristy ka namonjy sy nanafaka. Noho ny fitiavana dia nankatoa an’Andriamanitra Rainy Izy, nekeny ny ho faty ho famonjena, ho famonjena ny tena sakaizany. Ny fankatoavana ny didim-pitiavana nomeny no marika maha sakaizany (and.14). Asehoy eo amin’ny fiaraha-monina àry fa tena sakaizan’i Jesoa Kristy isika, mankatoa Azy tahaka ny nankatoavany an’Andriamanitra Rainy.

2- Fantsom-pitahiana ho an’ny hafa

Nanaiky ho faty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy ho famonjena. Nambarany fa ny tena sakaiza tokoa dia ny mahafoy ny aina ho famonjena ny sakaizany. Tsy mijanona teo amin’i Jesoa Kristy sy ny mpianatra mpanaradia Azy irery ihany izany fa miampita ho toetran’ireo mpianatra ihany koa. Ny teny mpianatr’i Jesoa Kristy araka izany dia manaiky ho fantsom-pamonjena, fantsom-pitahiana ho an’ny hafa. Tsy ho tia amin’ny teny fotsiny fa miasa am-pitiavana manao izay handraisan’ny hafa ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Fitiavana mitia amin’ny fo madio ka mihevitra ny mahasoa ny namana mandrakariva.

Fanontaniana:

Nahoana no nifidy anao i Jesoa Kristy araka ny Jao 15.16?

Sampana Sekoly Alahady Foibe