Ny Mpanompon’Andriamanitra Tsy Mivadika

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Febroary 2025

Sal 92. 1-5/FF 2: 1/Vavaka/Mofonaina/ Vavaka

Nomery 24.1-9
1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. 2 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama. 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony 4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: 5 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô! 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. 7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. 8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany. 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!

Tantara anankiray amin’izay tena mahaliana ao amin’ny Soratra Masina, ny tantaran’i Balaka, mpanjakan’i Moaba sy i Balama. Raha atao indray milaza ny tantara dia izao, nampaka an’i Balama, mba hanozona ny Isiraely i Balaka, mpanjaka, ary nampanantena hanome tamby sy voninahitra ho azy. Tsy sitrak’Andriamanitra anefa izany fa fitahiana sy tsodrano hatrany no nampitenenin’i Jehovah an’i Balama, ho an’ny Isiraely. Mivoitra tsara eto ary fa ny mpanompon’ Andriamanitra tsy misy fitaka dia:

« …dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy… » hoy ny fitantarana. Mazava tsara tamin’i Balama ny sitrapon’ Andriamanitra eto, tsy azo hiodivirana, fa tanterahina fotsiny izao. Tsy izay famporisihana na fanambatambazana sy fandrokidrokiana araka izany, no tokony hanova ny Tenin’Andriamanitra entin’ny mpanompony; fa izay sitrapon’ny Tompo ihany no tsy maintsy ataony sy lazainy, na dia tsy mahafaly ny manam-bola sy manam-pahefana, te hampanao izay mahafinaritra azy ny mpanompon’ Andriamanitra aza izany. Na amin’ny teny na amin’ny asa, dia izay asain’Andriamanitra atao ihany atao! Modely nomen’i Jesoa rahateo izany (Jao 4.34)

« Ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama. Dia nanao oha-teny izy… ». Hitantsika eto fa tsy mahateny afa-tsy izay ampitenenin’ Andriamanitra azy ny olona raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mampiteny azy. Mampanontany tena ankehitriny, ny hoe mba fanahin’iza no mampiteny ireny olona mitonona ho mpaminany ireny kanefa ny zav-dazaina sy atao, tsy mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra hita ao amin’ny Soratra Masina?

Hatraiza ny fankatoavanao an’Andriamanitra?