Ny mpanompon’Andriamanitra mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Septambra 2022
Asan'ny Apostoly 14,11 - 18
11 Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona! 12 Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy] 13 Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra. 14 Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe: 15 Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 16 Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa. 17 Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana. 18 Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.Ny mpanompon’Andriamanitra mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara
1-Momba azy ny Tompo
Ny fahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara nataon’i Paoly sy Barnabasy no tantaraina eto . Noho ny fatokian’ireto Apostoly ireto , ny Tompo dia nitory tamin’ny fahasahiana izy ireo , naneho famantarana sy fahagagana maro .Betsaka ireo nino sy resy lahatra .Nisy koa anefa ny nanohitra azy ireo ka nitora-bato sy nikasa hamono hahafaty azy (and19) . Niaro azy ny Tompo ka velona soamatsara izy ireo , ary afaka niverina nampahery ny olona hiorina amin’ny finoana .Misy mandrakariva ny sakana amin’ny fitoriana ny Filazantsara , saingy ny Tompo momba sy miaro nynmpanompony ka mitahy ny asany .
2-Manetry tena eo anatrehan’nyTompo
Miharihary sy tsy takona afenina ny fahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara izay nataon’i Paoly sy Barnabasy .Nisy aza ny nihevitra azy ireo ho amin’ny toeran’Andriamanitra noho ny fahombiazana teo amin’ny asa fitoriana nanirahana azy ireo . Tamin’ny fanetrentena no nanaovana ny asa ary nataony dia ny hitaona ny mpihaino hanompo an’Andriamanitra velona izay Tompon’ny lanitra sy ny tany , Ilay mitahy ny fiainan’ny olona , manome ny mahasoa azy ka hiala amin’ny fanompoan-tsampy.Koa mahaiza manetry tena eo amin’ny asa fanompoana .Ialao ny fireharehana fa izay manetry tena no hasandratra .
Fanontaniana:
Inona no mampirehareha ny olona eo amin’ny fiainany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM