Ny mpanompon’Andriamanitra mijoro amin’ny finoana
Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Aogositra 2023
1 TESALONIANA 3.1-5
1 TESALONIANA 3.1-5
1 Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena, 2 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo, 3 mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika. 4 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo. 5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.Ny mpanompon’Andriamanitra mijoro amin’ny finoana
1-Iharan’ny fahoriana sy ny fanenjehana
Tsy afaka namangy ny mpino Tesaloniana i Paoly ka nanapa-kevitra handefa an’i Timoty mba hampahery azy ireo . Niatrika fahoriana sy fanenjehana mantsy io fiangonana vao nijoro ,ka azo an-tsaina ny nanjo azy ireo.Tranga mpiseho eo amin’ny fiangonana kristiana sy ny mpanara-dia an’i Kristy ny toy izany ka tsy tokony hampihemotra amin’ny finoana .Tsy maintsy hampahoriana ny tena mpino izay mandà tsy hanaraka ny toetoetra fahita ombieny ombieny izay mifanohitra amin’ny Filazantsara . Koa azo an-tsaina fa hisedra ny mafy ny finoan’ireo kristiana ireo na dia efa nampiononina aza. Ho anao izay mijoro amin’ny finoana ,tsarovy fa tsy maintsy hiharan’ny fahoriana sy ny fanenjehana. Aza atao hampihemotra anefa izany.
2-Aoka tsy ho taitra ny amin’ny mpaka fanahy
Nanahy ihany i Paoly ,sao hahazo vahana noho ny zava-tsarotra natrehan’ny mpino ireo mpaka fanahy ,ka hanapotika ny finoan’ny Tesaloniana. Fantatr’i Paoly tsara manko ny fanaon’ny ratsy fanahy. I Jesoa Kristy koa dia efa nahafantatra ny paikadin’ireny ka nanome fahefana ny mpino hamoaka ny fanahy ratsy toy ny nataony.Tsarovy anefa fa ny devoly dia mahafantatra anao sy ny asa izay hanirahan’ny Tompo anao. Fantatra fa tsy hiady amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fahefana ara-panahy sy ny herin’ny ratsy (Efes 6.12). Koa aoka ho velona ao amin’Andriamanitra ary maneke ny fahamarinana sy ny fahefany .Aoka tsy ho taitra amin’ny mpaka fanahy fa mijoroa amin’ny finoana .
Fanontaniana:
« Tiako ny hiaraka aminao Jesoa , na aiza na aiza hitondranao ahy« . Ahoana no hiatrehanao izany voalazan’ny tononkira izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM