Ny mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Febroary 2022

2 KORINTIANA 1.12-20

2 KORINTIANA 1.12-20
12 Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo. 13 Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza, 14 toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika. 15 Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankat? aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany), 16 ary hankany Makedonia aho, raha avy at? aminareo, ary dia vao hiverina ho at? aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia. 17 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana? 18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia; 19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. 20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.

Ny mpanompon’Andriamanitra

1-Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Nisy kristiana vitsivitsy nanohitra an’i Paoly Apostoly tao Korinto izay niteny ratsy azy . Nampahatsiahivin’i Paoly Apostoly azy ireo fa mendrika ny fitondrantenany teo anatrehan’ireo (and12). Taty aoriana vao mainka nanampy trotraka izany ny fiovana teo amin’ny fandaharam-potoanany , nikasa ho any Korinto izy , kanefa tsy tanteraka.Nanome tsiny azy ny olona nilaza fa » anio » , eny ampitso » tsia « , mpivadibadika , hoy ny olona .Nampahafantariny fa ny fikasana izay nataony dia tsy araka ny maha-olona azy .Fikasana araka an’Andriamanitra , ka izay fandaminan’Andriamanitra no ekeny . Ny fanekeny ny fitarihan’ny Fanahy Masina no nampiova ny fandaharany .

2-Milaza fa marina ny Tenin’Andriamanitra

Nohamafisiny hatrany fa tsy manova ny hafatry ny Filazantsara nambarany ny fiovan’ny fandaharam-potoanany .Ny fikasany no mety miova fa ny Filazantsara notoriany niaraka tamin’i Silasy dia marina mandrakariva.Mahatoky Andriamanitra ka tsy mivadika amin’ny « eny » efa nambarany .Notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny « eny » ho famonjena ny olona , ny ‘eny » ho fandraisana ny olona ho amin’ny fiainana .Taominy mba hatoky an’Andriamanitra mandrakariva ny olona .Mitana ny Teniny ny Tompo . Koa matokia fa na dia miova aza ny fandaharam-potoanan’ny mpitory ny Filazantsara ,I Jesoa Kristy kosa dia tsy miova .

Fanontaniana:

Nahoana no misy kristiana manohitra ny mpitory ny Filazantsara eo aminy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM