Ny mpanompon’ Andriamanitra irahiny
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Jona 2025
(Sal 100. 1-5 / Hira 543: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731: 1)
Jeremia 1. 11-19
11 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro* no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe "hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany] 12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. 13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany. 14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany. 15 Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. 16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany. 17 Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. 18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. 19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.« Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. » (and.19)
lo andinin-tSoratra Masina io dia mampianatra antsika fa ny mpanompon’ Andriamanitra irahiny dia:
1. Hiatrika ady
« Fa hiady aminao ireny… » hoy Jehovah amin’i Jeremia mpaminany eto. Hanaovan’ny olona antsojay ny mpanompon’Andriamanitra (Jer 20. 2) rehefa mitory marina ny Tenin’Andriamanitra, indrindra rehefa mahakasika ny zoron-damban’ny olona ny fahamarinana ambara. Ny nanirahana an’i Jeremia rahateo dia voalaza fa « manana fo maditra sy miodina » (Jer 5. 23). Nanjo an’i Jesoa izany, ary mety hahazo antsika koa: ny mpiray firenena taminy ihany no niatsoantso hoe: homboy Izy!
2. Fa tsy ho resy
«…nefa tsy hahaleo anao… » hoy ny Tompo mampahery an’i Jeremia. Ny hevitra fototra ao anatin’izany dia izao: mahazo matoky ny tena mpanompon’ Andriamanitra fa na inona na inona hataon’ny olona azy, na fanenjehana io na fampijaliana amin’ny endriny samihafa noho ny amin’ny Tompo dia tsy maintsy miafara amin’ny fandresena, eny fa na dia hahamay sy hangotraka aza ny fiatrehana azy. Izany rahateo ny an’i Jesoa: hazofijaliana vao satroboninahitra!
3. Satria omban’Andriamanitra
«…satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah ». Ny fanalahidin’ny fandresena dia ny fombàn’Andriamanitra, fa tsy ny herin’i Jeremia. Aoka ho azo antoka fa momba anao ny Tompo; tsy mandeha amin’ny herin’ny tenanao akory ianao manao ny asany. Tsy ho sahisahy fahatany fa hihaino tsara ny toromariky ny Tompo!
Fanontaniana:
Hatraiza ny fatokianao ny fomban’ Andrian:anitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe