Ny mpanompo tsaran’i Kristy
Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Febroary 2020
1 TIMOTY 4.6-16
1 TIMOTY 4.6-16
6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. 7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. 8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra. 10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. 11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro. 12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana. 13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera] 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.Ny mpanompo tsaran’i Kristy
1-Manda ny fampianarandiso (and8)
Tamin’ny andro izay nanoratan’i Paoly tamin’i Timoty ity taratasy ity dia nisy ireo mpampianatra sandoka nitaona ny olona hitana ny kolotsaina nentim-paharazana , izay mifanohitra amin’ny Filazantsara . Nanoloana izany dia nitaona an’i Timoty hitana tsara ny fampianarana araka an’ Andriamanitra ary handà ireo fampianarana mifanohitra amin’izany izy .Izany ihany koa no hanentanana ny mpino kristiana ankehitriny , maro ireo mpampianatra amin’izao ankehitriny izao , aoka ny Tenin’ Andriamanitra ihany no hanorenana ny finoana fa lavo izay rehetra mifanohitra amin’izany.
2-Manana fanantenana (and10)
Nambaran’i Paoly Apostoly fa nandritry ny fotoana izay nanaovana ny asan’ Andriamanitra , dia ny fanantenana no manosika ny mpino hiasa mafimafy kokoa satria fantany fa tsy very maina ny fikelezana aina ataony . Hiverina indray ny Tompo hamaly ny olona araka ny asany indrindra fa ny mpino . Ary izany no tokony ho ao am-pon’ny mpino mandrakariva , ao amin’Andriamanitra no misy ny famonjena , amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .Ary izany finoana izany no mamelona ny fanantenana ary ny fanantenana manamafy orina , na dia eo aza ny hasarotry ny asa tanterahana .
Fanontaniana:
Inona no antony manosika anao hanao ny asan’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM