Ny mpanompo sampy dia miteny fa manampy azy ny andriamaniny.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Aogositra 2023
Mpitsara 16,22-31
Mpitsara 16,22-31
22 Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra. 23 Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika. 24 Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika. 25 Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy. 26 Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy. 27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao. 28 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa. 29 Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy. 30 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany. 31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.Ny mpanompo sampy dia miteny fa manampy azy ny andriamaniny.
Rehefa azon’ny Filistina babo i Samsona dia nivory ny andrian’izy ireo nifaly sy nanao fanatitra ho an’ny andriamaniny satria voafatony ihany ilay fahavalo izay nahavita namono olona betsaka taminy. Ankilan’izany koa, ny vahoaka filistina dia nifaly satria lazain’izy ireo hoe natolotry ny andriamaniny ho eo an-tanany ilay fahavalony. Tokony ho fantantsika anefa ny zavamisy raha manaraka ny tantaran’i Samsona hatrany amin’ny toko faha 16 isika fa ny fanangolingolen’i Delila an’i Samsona no tena nahavoa ka nahalasa babo azy ho eo antanan’ny Filistina. Ambara izany fa tsy manan-kery velively ny andriamanitra sampy, tsy mahavita na inona na inona mihitsy akory izany fa ny olona no manetsika sy manome lanja azy. Izay mivavaka amin’i Jehovah kosa dia mino fa hahazo valim-bavaka .I Samsona kosa nivavaka tamin’i Jehovah, ary nangataka taminy ny hanampiany azy sy ny hamaliany vavaka noho ny ratsy nataon’ny fahavalony azy. Ny zavatra mitranga eto dia maneho fa mamaly vavaka izay mangataka sy mino Azy tokoa Jehovah. Izy no azo ianteherana sy angatahana hanome izany ho an’ny olona ary tokony hino sy hanaiky ny heriny ny olona
Fanontaniana:
Mbola misy mpanompo sampy hitanao na henonao ve? Tokony hampisalasala ve ny finoana ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM