Ny mpanompo mahatoky
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Jolay 2022
1 Timoty 3,1 - 7
1 [Ny amin'ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo] 3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia] 6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.Ny mpanompo mahatoky
1-Marina amin’ny fitondrantenany
« Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy mana-tsiny ,manambady tokana ,mahonontena,hendry... »(and2).Tamin’ny andro nanoratan’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty dia niely ny fampianarana fa tsy olana ny fampirafesana , ny famerenana ny mariazy aorian’ny fisaram-panambadiana , ny fanambadiana fanindroany aorian’ny fahafatesan’ny vady . Ho fanintsiana izany fomba sy toetra izany dia nampahatsiahivina teto fa olona marina amin’ny fitondrantenany no tokony ho mpitarika sy tomponandraikitra eo amin’ny fiangonana , eny ho an’ny mpino kristiana rehetra mihitsy aza izany . Ho fanarenana ny fifandraisana ao amin’ny ankohonana no anton’izany , fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy .
2-Marina amin’ny fifandraisana amin’ny hafa
« Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy , fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny … » (and7)
Ny mpitondra fivavahana dia tokony ho olona « tsara laza« sy modely eo amin’ny fiaraha-monina misy azy , indrindra ny tsy mpino mba hahafahana mitaona azy ireo ho ao amin’ny finoana an’i Kristy . Arofanina eo amin’ny fanompoana ny fitiavam-bavaka fa làlana misokatra ho amin’ny fahalavoana ny fitiavan-tena .Noho izany , tsy maintsy manana fomba fijery mitodika amin’ny tombotsoan’ny fiaraha-monina ny mpino kristiana .Mitodika hatrany amin’ny fitaomana ny hafa ho ao amin’i Kristy ny fisainan’ny mpitondra fivavahana , ary izany no mahatonga azy tsy maintsy ho « tsara laza ».
Fanontaniana :
Inona no toetranao ka misakana ny fitoriana ny Filazantsara ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM