Ny Mpanjaka eo amin’ny firenena

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Jolay 2023

1 SAMOELA 10.17-27

1 SAMOELA 10.17-27
17 Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah 18 ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. 19 Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy. 20 Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy. 21 Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy. 22 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy. 23 Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany. 24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka. 25 Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy. 26 Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony. 27 Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.

Ny Mpanjaka eo amin’ny firenena

1-Andriamanitra no mifidy azy

« Hitanareo va izay nofidin’i Jehovah , fa tsy misy tahaka azy eo amin’ny vahoaka rehetra »(and 24a).Teny nataon’i Samoela teo anatrehan’ny vahoaka tamin’ny fametrahana an’i Saoly ho mpanjaka izany .Naseho teo anatrehan’ny vahoaka i Saoly ary hita fa izy no lava indrindra , ary nambaran’i Saoly koa fa izy no nofidin’i Jehovah .Na dia somary nanahirana ihany ny adihevitra momba ny fahazoana mpanjaka dia nofidin’i Jehovah i Saoly .Rehefa miziriziry amin’ny heviny ny vahoaka ny amin’izay tiany hitondra azy , eken’Andriamanitra izany . Andriamanitra manome mpitondra ho an’ny vahoaka avy aminy ny mpitondra. Noho izany , mila mangataka mpitondra hendry sy mino an’i Jesoa Kristy ny vahoaka mba hitondra azy .

2-Mendrika fanajana

« dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe : ho ela velona anie ny mpanjaka » (and 24b). Rehefa nasehon’i Samoela ny vahoaka i Saoly ary nambarany fa io no mendrika ho mpanjaka hitondra ny vahoaka , dia nihoby ny vahoaka .Mariky ny fifaliana sy fanjakan’ ny mpanjaka izany , satria sarobidy ny fanomezana avy tamin’i Jehovah dia nifaly tamin’izany ny vahoaka. Manoloana izany , ny kristiana ihany koa dia tokony hifaly sy hanaja ny mpitondra azy satria fanomezana avy tamin’Andriamanitra izany .Olom-boafidin’Andriamanitra ny mpitondra ka tokony hohajaina indrindra .Tsy ny mpitondra fanjakana ihany anefa fa ny mpitondra fivavahana ihany koa. Koa manajà ny mpitondra fa olom-boafidin’Andriamanitra izy ireny . Jesoa Kristy rahateo mitarika sy mampianatra antsika ho amin’izany fanajana ny mpitondra izany .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny vahoaka tsy hanaja ny mpitondra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM