Ny mpanara-dia ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Aogositra 2020
ASAN'NY APOSTOLY 21.10-14
ASAN'NY APOSTOLY 21.10-14
10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. 11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy. 12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. 13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo. 14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.Ny mpanara-dia ny Tompo
1-Feno fahavononana toa Azy
Fantatr’i Paoly tsara ny fiainan’i Jesoa Tompo . Rehefa antomotra ny fotoana hiaretan’iJesoa dia tsy nisy tahotra na fisalasalana kely akory tao Aminy . Mba nalain’i Paoly ho fomba fiady koa izany . Niahotra ny naman’i Paoly ka nitady hirika mba hialan’i Paoly amin’izany toa loza mitatao izany. Mazava ny tenin’i Paoly : »vonona aho » . I Paoly ihany no nanafatra ao amin’ny Epistily nampanoratin’ Tompo azy , ka nanentana ny mpino mba haka ohatra amin’ny fiainan’i Kristy (Fil 2.5) .
2-Manaiky ny sitrapon’Andriamanitra toa Azy
Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao (and14). Rehefa nirona tamin’ny tahotry ny ho faty ny ankamaroan’ny olona , afa-tsy i Paoly fa niziriziry iPaoly , ary vonona ny hiatrika izay hanjo azy toy ny fatotra , ny ho faty . Ny hany herin’ireo namany dia niteny hoe: « Aoka ny sitrapon’ny Tompo no hatao ». Niara-niaiky ny rehetra fa raha toa sitrapon’ny Tompo ny hahafaty an’iPaoly noho ny fanompoana ho Voninahitr’ Andriamanitra , dia izay no atrehina. Ilaina ny fanakatoavana sy fahavononana tanteraka amin’ny fanarahana ny Tompo . Sady fijoroana ho mpanompo mahatoky izany no mandresy lahatra ny hafa koa.
Fanontaniana :
Inona avy ireo fiainan’iKristy nataon’iPaoly ho ohatra alain-tahaka fantatrao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM