Ny mpaminany nantsoin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Jolay 2021
AMOSA 7.10-17
AMOSA 7.10-17
10 [Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra, 11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely. 12 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any; 13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity. 14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty* aviavy** ihany aho,[*Na: mpandraotra][**sykomora] 15 saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko. 16 Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka; 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.Ny mpaminany nantsoin’Andriamanitra
1-Andriamanitra maniraka azy
« saingy nalain’i Jehovah tany am-piandrasana ondry ka nataony hoe : mandehana ka maminania… » (and 15)
Amazia mpisorona tao amin’ny alitaran’ombilahikely volamena tao Betela , izay alitaran-tsampy no nandroaka an’i Amosa tsy haminany tao Betela . Tamin’izany no namalian’i Amosa an’i Amazia fa tsy mpaminany izy , tsy mpianatry ny mpaminany fa Jehovah no niantso sy naniraka azy haminany . Olona nantsoin’Andriamanitra hitondra hafatra amin’ny Anarany eo amin’ny vahoaka ny mpaminany fa tsy olona manira-tena akory . Tsy safidy ihany koa ny fitondrana hafatra amin’ny Anaran’Andriamanitra fa fankatoavana ny irak’Andriamanitra . Tahaka izany no nataon’i Jesoa Kristy nanatanteraka ny iraky ny Ray tamin’ny fankatoavana tanteraka.
2-Milaza marina ny Tenin’Andriamanitra
« Koa izao no lazain’i Jehovah …ary ny Israely hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa » (and17)
Nambaran’i Amosa mpaminany mazava teo anatrehan’i Amazia ny hafatr’i Jehovah momba ny hahafatin-tsabatra an’i Jeroboama mpanjakan’Israely (and11) sy ny hahababo ny vahoaka . Nahatezitra an’i Amazia izany teny nataon’i Amosa izany , kanefa tsy maintsy manambara ny Tenin’i jehovah i Amosa mpaminany . Araka izany , ny mpaminany marina , mpitondra hafatr’Andriamanitra dia tsy maintsy manambara marina ny hafatr’ Andriamanitra nampitondraina azy na dia mahatezitra sy milaza loza ho an’ny olona izay mihaino azy aza izany . Ary modely tamin’izany filazana marina ny Tenin’Andriamanitra izany i Jesoa Kristy .
Fanontaniana :
Inona avy ireo antony mahatonga ny olona handà sy hankahala mpaminany marina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM