Ny mpaminany Elia
Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Oktobra 2025
Sal 105.1-4 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 476.1,2
1 Mpanjaka 18,21 - 39
21 Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory. 22 Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy. 23 Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao. 24 Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany. 25 Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao. 26 Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala Ă´. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy. 27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina. 28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drĂ tamin'ny tenany. 29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory. 30 Ary hoy Elia tamin'ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran'i Jehovah izay efa rava 31 ka naka vato roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay tenin'i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao; 32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy* voan-javatra indroan'ny famarana**. [*Na: mahalany][**Heb. sea] 33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo, 34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa. 35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely. 36 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah Ă´. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. 37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah Ă´, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. 38 Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely. 39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
1 Mpanjaka 18.21-39
Ny mpaminany Elia dia:
1-Mamerina olona ho amin’Andriamanitra velona
Nilaza tamin’i Ahaba i Elia fa hamory ny zanak’ Israely rehetra, ka rehefa vory lanona izy ireo, dia nilazany hoe: « mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ». Nitaona ny zanak’Israely i Elia, mba hisafidy mazava tsara ny amin’izay Andriamanitra harahiny. Izy ireo mantsy dia nirona hanompo tompo roa. Sady te hanompo an’Andriamanitra no hanompo an’i Bala. Elia no mpaminany irahin’ Andriamanitra hamerina ny vahoaka indray ho eo Aminy. Fantatr’i Elia fa mamaly vavaka Andriamanitra, mba hiverenan’ireo vahoaka hanaraka Azy. Mampidi-doza ny manao fitan-droa. Jesoa Kristy dia efa nilaza fa: « tsy misy olona mahay manompo tompo roa … » (Mat 6. 24).
2-Hamarinin’Andriamanitra ny mpaminan’ny Israely
Raha nanao fanatitra ireo izay nanaraka ny mpaminan’i Bala dia tsy naharehitra ny fanatitra mandra-paharivan’ny andro, na dia efa nanao izay ho afany aza. Fa ny Tompo kosa dia nanomana afo tamin’ny fomba mahagaga mba handevonana ilay fanatitra nataon’i Elia. Nohamarinin’Andriamanitra ny maha mpaminanin’ Israely azy. Voaporofo fa Andriamanitry ny Israely ihany no Andriamanitra velona, ary tokony ho tompoin’izy ireo. Rehefa nahita izany fahagagana izany ny Israely dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra (18.39). Izay tena mpaminany marina tokoa dia hamarinin’Andriamanitra eo amin’ny iraka ampanaovina azy, ary tsy avelany ho irery eo anatrehan’ny ady sarotra. Aoka isika hatoky Azy, fa Jehovah no hiady, ianao kosa hangina.
Fanontaniana:
Mbola misy mpaminany sandoka ve ankehitriny? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe