Ny mino navotan’ i Kristy
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Aprily 2021
MATIO 18.10-14
MATIO 18.10-14
10 Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra*.[*Ampio hoe:] 11 (Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.) 12 Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania? 13 Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. 14 Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.Ny mino navotan’ i Kristy
1-Tsy manao tsinontsinona ny madinika
I Matio milaza amintsika mpamaky ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny madinika . Miantefa aminao izany teny izany . Zanak’Andriamanitra avokoa isika , ary mifandray mivantana amin’ny fanatrehany ireo madinika ireo Izy . Mikarakara mijery manokana Izy , sao ataon’ny hafa tsinontsinona ka tsy hananan’izy ireo fifaliana ao amin’ny lanitra . Ho anao mino , izay navotan’i Kristy , aza ho isan’izay manana firehan-kevitra hanao tsinontsinona ny madiniky ny Tompo . Aoka ho tonga fianarana ho an’ny hafa isika amin’ny fikarakarana azy ireny . Manàna fahatahorana an’Andriamanitra . Aza mihevitra ny hanilika.
2-Mamerina ny mania ho ao am-bala
Tsy sitrak’Andriamanitra mihitsy ny hahavery na dia iray aza . Hamonjy antsika no antom-pahatongavany teto an-tany . Mifandray mivantana amin’ireo madinika ireo Izy . Raha misy mania dia ataony izay hiverenany ao am-bala. Tsy mora akory ny mamerina ny ondry ao am-bala , fa atao am-pitiavana izany . Isika mino izay navotan’i Kristy dia manana adidy hamerina izay nania ho ao am-balan’i Kristy . Tsy sitrak’Andriamanitra ny hahavery azy ireny na dia iray aza (and 14). Tsy vitan’ny mamerina fotsiny fa mifaly koa rehefa tafaverina ao am-bala ilay ondry mania . Jesoa Kristy dia tonga hitady sy hamonjy ny very , irahiny hanohy ny asa ianao mpino izay navotany . Koa mahereza ao amin’ny Tompo .
Fanontaniana :
Mba isan’ny mpanompon’Andriamanitra namerina ny ondry nania tao amin’ny Fiangonana misy anao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM