Ny mino miandry ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 29 Jona 2021
1 Korintiana 1. 4 -9
1 Korintiana 1. 4 -9
4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, 5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, 6 araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo, 7 ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 8 Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.Ny mino miandry ny fiavian’ny Tompo
1- Miaina amin’ny fahasoavany :
Eo amin’ny and.4 no efa velom-pisaorana an’Andriamanitra i Paoly noho ny fahasoavana nomena izay ao amin’i Kristy. Eo amin’ny and.7 moa dia ambarany mihitsy fa tsy misy fanomezam-pahasoavana izay tsy hananan’izy ireo. Izany moa dia fanomezana sarobidy eo an-tànan’ny mino, amin’ny fiandrasana ny fiavian’ny Tompo. Ireny fanomezam-pahasoavana ireny no entina hifampaherezana sy hifanampian’ny mino. Tsy aorian’ny fiainana no ampiasana azy fa amin’ny fotoam-pahavelomana. Inona no efa nampiasanao ny talenta sy fanomezam-pahasoavana nomen’i Jesoa anao? Tian’Andriamanitra hiavaka ianao ka nomeny fanomezam-pahasoavana manokana.
2- Miandry fatratra
Ireto Kristiana tany Korinto ireto dia nivelona tao amin’ilay fisainana hoe : Ho avy tsy ho ela ny Tompo . Nifantoka tamin’izany ny finoan’izy ireo. Nivelomany izany fanantenana izany ary niandrandra fatratra ny fahatanterahan’izany izy ireo. Fahasoavana lehibe izany foto-pisainana izany ka nahafaly an’i Paoly, satria nitarika ny olona ho amin’ny fitondran-tena mba tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Kristy. Fa ankehitriny isika dia mihevitra fa mbola ho ela izany fiavian’i Kristy izany, ka mahatonga antsika mbola hiliba sy hanome vahana ny filàn’ny nofo. Vao tsy ela isika no nankalaza ny fetim-pirenena. Firy no nigoka sy nisotro ary nanaram-po tamin’ny fahamamoana satria fety , fa ianao kosa vakio ny hafatr’i Jesoa (Mat.5. 16)
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hiandrasanao ny fiavian’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM