Ny mariky ny maha-kristiana

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Mey 2020

ROMANA 8.9-17

ROMANA 8.9-17
9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. 12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.

Ny mariky ny maha-kristiana

1-Onenan’ ny Fanahin’ Andriamanitra

Ny teny hoe: « mitoetra » dia milaza fonenana maharitra ao amin’ny toerana iray. Tsy toy ny vahiny miserana sy mandalo fa tompontrano mikarakara tsy ankitsahatra . Ny Fanahin’Andriamanitra izay tsy hafa fa ny Fanahy Masina izay mitoetra ao am-pon’ny kristiana dia miasa tsy ankitsahatra ao aminy mba hanadio sy hanavao azy isanandro .Izay onenan’ny Fanahin’Andriamanitra dia onenan’i Kristy . Ny asan’ny Fanahy no mahatonga an’i Kristy ho velona ao anatintsika . Ny fandraisana io Fanahy Masina io no mariky ny maha-kristiana.Raha onenan’ny Fanahy Masina ny kristiana dia tsy manapaka ao aminy intsony ny ota. Ka na dia tsy maintsy handalo fahafatesana aza ny nofo , ny Fanahin’ Andriamanitra izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no hanangana ny kristiana koa , ka hamelona ny tenany mety maty (and10-11). Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny fanahintsika fa Zanak’ Andriamanitra isika (and 16-17).

2-Mahatsiaro ho manana adidy

« Ary amin’izany ry rahalahy , dia mpitrosa isika…(and12) . Ny hoe : »manana adidy » .Satria ny Fanahin’ Andriamanitra no namonjy antsika tamin’ny ota sy ny fahafatesana , ka dia tokony ho velona araka ny Fanahy isika (and13) . Adidintsika ny mamono ny fahazarana rehetra izay nentina nanindrahindra ny nofo sy nenti-nanompo ny fitiava-tena teo aloha .Tsy maintsy vonoina amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny fomba fanao amin’ny nofo toy ny fanirian-dratsy , ny fitiavam-bola , ny hakamoana , ny tsy fitiavana . Ilofosana kosa ny fanaovana asa soa.

Fanontaniana:

Inona avy ireo adidy tokony efaina amin’ny maha-kristiana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM