Ny manao ny sitrapon’Andriamanitra dia:
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 31 Oktobra 2024
Matio 21. 23-32
Matio 21. 23-32
23 Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? 24 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: 25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina* ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[*Na:nieritreritra] 26 Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona. 27 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. 29 Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. 31 Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.Ny manao ny sitrapon’Andriamanitra dia:
1. Tsy izay manaiky ivelany fotsiny, nefa tsy manatanteraka (and 30, 31)
Fanoharana ny amin’ireo roalahy nirahin-drainy hiasa any amin’ny tanim-boalobony no ataon’I Jesoa eto, entina manazava ny amin’ny hoe iza marina moa no manao ny sitrapon Andriamanitra. Ny faralahy rehefa nirahiny dia nanaiky avy hatrany, ny handeha, kinanjo ny lohany fotsiny no nihatoka fa 1sy nidina tany an-tanim-boaloboka akory izy, ary tsy nanao ny asa nampanaovin-drainy azy akory satria lalan-kafa mihitsy no nalchany. Raha ny marina dia izay tiany ihany no nataony, izay naha diavolana ny sainy no nalehan’ny tongony, ka na dia nanaiky izao aza izy rehefa nirahin-drainy, dia tsy nataony ho zava-dehibe ny fanatanterahana ny baikon-drainy fa nampandeferiny. Ilazana ny olona jerena amin’ny endrika ivelany toa tena mpivavaka sy tena Kristiana, kanefa ny zavatra atao tsy araka izany fa mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.
2. Izay nanenina ka niova (and 29)
« Tsy handeha aho, nefa nony afaka izany dia nanenina izy ka nandeha ihany ». Ny atao hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra dia ny olona izay mahatsiaro ny fahadisoany ary manenina ka mibebaka ary miverina amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Izay no mahatonga an’i Jesoa miteny hoe ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no mialoha ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, satria rehefa hitoriana teny ireny ka mibebaka dia miala amin’ny fahotany. Fa ny olona mihevi-tena ho efa masina sy pivavaka no manao anakam-po hoe efa voavonjy ka lasa miavonavona am-po no mandrarak’ilo mby an-doha!
Fanontaniana
Manao ahoana ianao manoloana ny sitrapon’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe