Ny « mana » teo amin’ny fiainan’ny olona

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Aprily 2025

(Sal 42.1-5 / Hira23.1,2 / Vavaka/ Mofonaina / Vavaka/Hira444.1,4)

Jaona 6. 47-58
47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. 48 Izaho no mofon'aina. 49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany. 50 Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. 51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. 52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika? 53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. 54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. 55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. 56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy. 57 Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. 58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Nomen’Andriamanitra avy any an-danitra ny mana rehefa nangataka hanina ho azy ny olona (Eks 16. 15); ary tena zava-mahagaga tokoa izany satria toe-javatra niavaka sy nanehoan’ Andriamanitra ny maha Izy Azy tamin’ny olombelona. Fantatry ny olona tsara araka izany ny mana na dia tsy ireto taranaka ireto aza no nisitraka izany satria nampitaina tamin’ny taranaka mifandimby ny toe-javatra niainan’ny ray aman-dreny teo aloha. Izany hoe nino ny fisian’ny mana izy ireo na dia tsy hitany aza izany. Ny fotoana nisian’ny mana teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona dia efa tamin’ny lasa, ary nomarihin’i Jesoa Kristy fa ireo taranaka nihinana izany mana izany dia efa maty avokoa. Araka izany dia tsy nahatazona ny ain’ireo olona nihinana azy akory ny mana nohaniny.

Tahaka ny mana ihany dia nomen’Andriamanitra avy any an-danitra koa ny mofonaina. Ary miezaka mampahafantatra amin’ny taranaka miresaka Aminy eto i Jesoa fa tsara lavitra sy tena mahavoky mihoatra noho ny mana fantatr’ireto olona ireto ny mofonaina resahiny. Satria io mofonaina io no tena fihinana ary ao amin’io mofonaina io no misy ny tena fisotro izay manome fiainana mandrakizay. Manasa ireto olona miresaka aminy ireto i Jesoa mba hananan’izy ireo anjara amin’izany. saingy sarotra amin’ny olona izany. Nanafintohina azy ireo ny nilazan’i Jesoa hoe Izaho no mofo velona nidina avy tany an-danitra izay zaraina amin’ny olona.

Inona no tian’i Jesoa hambara amin’ny hoe mofonaina?