Ny mampiavaka an’i Jaona mpanao batisa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Septambra 2021
MARKA 1.1-8
MARKA 1.1-8
1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany] 3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. 5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. 7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.Ny mampiavaka an’i Jaona mpanao batisa
1-Iraka mpisava làlana izy :
« Indro Izaho maniraka ny irako hialoha anao, izay hamboatra ny làlanao » (Mal 3.1 /Mar 1.2). Isan’ireo mpanomana ny firotsahan’i Kristy amin’ny asa fanompoana masina izay miandry Azy i Jaona mpanao batisa. Lavitra aminy ny hanararaotra ny iraka nomena azy , ka notsoriny fa iraka ihany izy ary mpisava làlana. Anatra ho an’izay rehetra omena fahefana sy ampindramina fahefana izany , mba tsy ho sarotim-boninahitra alohan’izay naniraka azy . Maneho fahatanterahan’ny faminaniana efa voasoratra hatrizay izany .
2-Iraka mitory fibebahana
« Dia nandeha Jaona , izay nanao batisa tany anefitra ka hitory ny batisan’ny fibebahana ho famelankeloka » (and 4). Amin’i Jaona dia fomba iray ahafahana mandositra ny fahatezerana ho avy ny fialana amin’ireo toetra sy fahazaran-dratsy. Mariho fa ny ony Jordana voalaza eto dia tsy mba tahaka ireo ony rehetra fa io no fahatsiarovana ny fialana an’i Egypta ho any amin’ny tany Kanana . Ny ony etsy sy eroa dia tsy azo ampilaharina amin’i Jordana. Amin’izany ny hafatra entin’ny batisa izay maneho ny fialana amin’ny toerana teo aloha ka hisitraka fahasoavana vaovao no zava-dehibe fa tsy ny fakana tahaka an’i Jordana ara-bakiteny akory .
Fanontaniana :
Lazao izay fantatrao fa mampiavaka an’i Jaona mpanao batisa.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM