Ny maha- zanak’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Janoary 2022
1 JAONA 3.1-6
1 JAONA 3.1-6
1 [Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen'] 2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. 3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. 4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. 5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] 6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.Ny maha- zanak’Andriamanitra
1-Fitiavan’Andriamanitra
« Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika ... »(and1)
Noho ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra no nahatonga Azy niantso antsika ho zanany . Anarana milaza fahatsarana, voninahitra, fahalehibiazana, fahalemem-panahin’Andriamanitra amintsika. Izy mihitsy no manambara ny maha-zanany antsika .Tsy tongatonga ho azy anefa izany , fa noho ny naneken’i Jesoa Kristy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ka nahazoan’ny mpino fahateram-baovao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina . Dia tonga zanak’Andriamanitra ny kristiana . Izay rehetra manaiky ny famonjen’i Jesoa Kristy sy fanavaozan’ny Fanahy Masina no tonga zanak’Andriamanitra . Fitiavan’Andriamanitra no mahatonga antsika ho zanany .
2-Manomboka ankehitriny
« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika , …izay ho toetsika rahatrizay » (and2)
Ny filazan’Andriamanitra ny maha-zanany antsika dia tsy fahatsarana mbola andrasana na ampanantenaina amin’ny andro ho avy akory fa manomboka « ankehitriny« .Amin’ny fotoana izay haneken’ny olona fa i Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy azy , dia tonga zanak’Andriamanitra izy.Tsy amin’izao fiainana izao ihany anefa izany , fa mitohy hatrany amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy . Amin’izay fotoana izay , dia ho tahaka an’i Jesoa Kristy isika sady hanatrika an’Andriamanitra mivantana . Voninahitra sy fifaliana lehibe ho an’ny zanak’Andriamanitra ny fanatrehana Azy mivantana izay tsy hita tety an-tany afa-tsy tamin’ny alalan’ny finoana ihany .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny maha-zanak’Andriamanitra anao mba hahatanteraka ny fifaliana rahatrizay ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM