Ny maha samihafa ny maso tsara sy ny maso ratsy.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Aprily 2024

Matio 6. 22-23

Matio 6. 22-23
22 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!

Ny maha samihafa ny maso tsara sy ny maso ratsy.

1-Ny maso tsara

Hoy Jesoa:  » Ny maso no jiron’ny tena ». Ilay « tena » tiana ambara eto dia ny vatana manontolo. Raha tsara ny mason’ny olona iray dia « hazava avokoa ny tena rehetra », izany hoe salama ny vatany. Ny fahazavan’ny tena rehetra dia maneho ny fanoloran-tena tanteraka ho an’Andriamanitra amin’ny to rehetra. Koa satria nitoriteny mahakasika ny harena i Jeson, dia tiany hasongadina fa ny fanoloran-tena ho an’ Andriamanitra, ny fahatahorana Azy sy ny fanarahana ny baikony no hahatonga fitahiam-panahy; ny fisokafan’ny tanana malalaka ho an’ny hafa dia mitondra harena ara-panahy sy ara-bola. Tian’i Jesoa hanana maso tsara isika, ka ho tonga zanaky ny mazava mba hahatonga antsika hazoto manolotra ny tenantsika ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra.

2- Ny maso ratsy

Rehefa avy niresaka momba ny maso tsara i Jesoa, dia tohizany eo amin’ny and.23: « raha ratsy ny maso, dia ho maizina ny tena rehetra ». Ny olona manana maso ratsy dia oharin’i Jesoa amin’ny jamba, tsy mahita na dia fahazavana aza. Araka izany, aizin- kitroka no manjaka ao amin’ny olona ratsy maso. Ny aizina eto dia entina ilazana ny faharatsiana samihafa: ny fitiavan-tena, ny fitiavan-karena mihoatra an’Andriamanitra, tsy hahitana ho avy mangirana. Ny fifikirana amin’izao tontolo izao feno faharatsiana no mahatonga ny maso jamba, ka tsy ahitana an’Andriamanitra ilay fahazavana, tian’i Jesoa ampahafantarina antsika ry havana, fa voka-dratsy no ateraky ny fananana maso ratsy. meteza hohazavain’ i Jesoa, dia hanana fiainana ao Aminy isika.

Fanontaniana:

Haintsika ankehitriny ny maha samihafa ny maso tsara sy ny maso ratsy. Inona amin’ireo maso ireo no ho entinao manatrika ny andro sisa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Jesoa mampahiratra sy mampiray amin’...

Alahady, 14 Aprily 2024

Nankany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena; nitomany satria tsy nahita ny fatin’i Jesoa. Nisy…

Paska: Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady, 31 Martsa 2024

PASKA Manorina ny fanekeny ny Tompo 1. Aoka hifandinika izay ahitana ny Tompo Raha ny…

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena ...

Zoma, 15 Martsa 2024

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalàna satria: 1. Tsy afaka manafoana…