Ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Jolay 2023
Jaona 13. 12-20
Jaona 13. 12-20
12 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? 13 Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. 14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. 15 Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. 16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. 17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. 18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko* no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9). [*Na: miara-komana amiko] 19 Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy. 20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
Ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy
1- Mitaky fanetren-tena
«Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (and. 15)
Nanasa ny tongotry ny mpianatra i Jesoa Kristy ho fanehoany fa na dia mpampianatra aza manetry tena eo amin’ny mpianatra. Koa mainka fa ny mpianatra samy mpianatra dia tokony hifanompo tahaka izany. Ary tsy fanompoana ivelany fotsiny ihany, fanompoana manaiky hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. Izany ihany koa no takian’i Jesoa Kristy amin’ny mpianany ankehitriny, mila manana fanetren-tena,
mametraka ny hafa ho ambony noho ny tena. Ary tsy izany ihany,manaiky hitia ny hafa ka manaiky hiaritra ny mafy mba ho famonjena hafa. Mpianatr’i Jesoa Kristy hianao .Koa manetre tena ary meteza hitia
ny hafa fa izany no sitrapon’i Jesoa Kristy ho antsika.
2- Mitaky fiankinana Aminy
«Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany. » (and.17).Nambaran’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra fa tsy lehibe noho Izy ireto mpianatra ireto. Ka izay rehetra niainany dia iainan’izy ireo ihany koa fanenjehana, fihazonana ny tenin’ Andriamanitra, ary indrindra tsy mahazo matoky tena fa miankina mandrakariva amin’ny mpampianatra. Jesoa Kristy izany mpampianatra izany. Raha manao
izany ny mpianatra dia sambatra. Toy izany koa isika ankehitriny,mitondra fahasambarana ho an’ny mpino an’i Kristy ny miaina ny finoana amin’ny fahatokiana Azy. Mety miatrika olana, ady sarotra,fanenjehana, eny, fahoriana ianao mandritry ny fanompoana ,kanefa matokia an’i Jesoa Kristy, miankina Aminy fa tsy hamela anao ho irery Izy fa hamonjy anao.
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny fanetren-tena araka an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM