Ny maha-Izy Azy ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Febroary 2020
SALAMO 33.1-10
SALAMO 33.1-10
1 [Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona] Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana. 2 Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo. 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana. 4 Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. 5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. 6 Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. 7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy. 8 Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao. 9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. 10 Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.Ny maha-Izy Azy ny Tenin’Andriamanitra
Manana anjara toerana teo amin’ny fanatanterahan’ Andriamanitra ny asany ny Teniny .
1-Teny mahitsy .
« Fa mahitsy ny Tenin’i Jehovah« , izay azo adika hoe: marina , azo antoka , azo iankinana.Niseho tamin’ny fanatanterahan’ Andriamanitra ny asany izany :asa marina , asa tsara , asa mahakasika ny fiainan’ny zanak’olombelona. Misitraka ny famindrampon’Andriamanitra sy ny fahatsarany tokoa ny mananaina rehetra.
2-Teny manankery
Ampahatsiahivina amin’izao salamo izao ny asan’ny Tenin’ Andriamanitra tamin’ny fahariana izao tontolo izao . Teny miasa , teny mpahary ny Tenin’ Andriamanitra .Teny nampiova ny zavatra rehetra .Teny manankery sy manam-pahefana amin’ny zava-boahary rehetra izany. Tsarovy mampandresy anao amin’ny fotoana sarotra ny Tenin’Andriamanitra raha mino marina ianao.
3-Teny mandresy lahatra
Resy lahatry ny asan’ny Tenin’ Andriamanitra ny mpanompony .Mitaona ny olo-marina hidera an’Andriamanitra izy .Olo-marina afaka hiatrika ny Voninahitr’Andriamanitra , afaka mitoetra ao amin’ny fitoerany masina . Rehefa izany koa anefa dia mitaona ny olona rehetra mahita ny asan’Andriamanitra mba hatahotra an’ Andriamanitra izy .Izany dia tahotra ho fanajana sy fanomezana voninahitra Azy marina tokoa.
Fanontaniana:
Mitondra inona amin’ny finoana ny fahamarinan’ny Tenin’ Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM