Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Novambra 2020

JODA 24-25

Joda 1,24 - 25
24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia namarana izany amin’ny filazana sy fanambarana ny maha-Izy azy an’i Jesoa Eo anatrehan’ny zava-manahirana lalovan’ny Fiangonana dia tsarovy fa i Jesoa dia :

1-Maharo ny mino tsy hanan-tsiny (and 24)

Hoy i Jesoa hoe : « indro Aho momba anareo mandrakariva  » . Ny hoe : momba araka izay efa fantantsika dia manana hevitra fiarovana . Eto dia manamafy izy voasoratr’i Matio Joda . Tena manana ny hery sy ny fahefana rehetra tokoa i Jesoa hiaro ny mino Azy , hiaro ny Fiangonany . Miaro ny mino tsy hanantsiny , izany hoe : miaro ny mino tsy hanota . Ary izany fiarovan’ny Tompo izany dia hatramin’ ny fotoana hiverenany indray hitsara ny velona sy ny maty . Te-hampianatra antsika Joda fa tena azo atao tsara ny mitoky amin’io fiarovan’Andriamanitra amin’ny alalan’ i Jesoa Kristy io .

2-Tompo sy Mpamonjy (and 25)

Rehefa antsoina hoe :Tompo Jesoa dia maneho ny maha-Andriamanitra manam-pahefana Azy izay ny mpanoratra ny Testamenta vaovao . efa nomena Azy rahateo ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany . Eo anatrehan’ny fanenjehana , eo anatrehan’ny fampianaran-diso mitady hahazo vahana teo amin’ny fiangonana dia nampahatsiaro ny maha-Tompo an’i Jesoa i Joda . Sady Tompo Izy no Mpamonjy , izany hoe : manana ny fahefana hamonjy ny fiangonany amin’ny hery sy ny fhefana mpampahory eto amin’ izao tontolo izao . Ary raha ny marina dia tsy hoe : vao hamonjy Izy , efa vitany sy tanterany teo amin’ny hazo fijaliana izany famonjena izany . Toky ho an’ny mino ny ny fiangonany izany .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fahatakarantsika ny maha-Izy an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM