Ny loza mpahazo ny  olona

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Aogositra 2020

 APOKALYPSY 2.8-11

 APOKALYPSY 2.8-11
8 [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia] 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. 11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia]

Ny loza mpahazo ny  olona

Araka  ny voalaza eto  amin’ny and 9 dia misy telo karazana ny loza mpahazo ny olona :

1-Ny fahoriana

Toejavatra  mafy  sy sarotra maharary  , mampitomany  , mampamoifo  mpahazo  ny olona ny  fahoriana  ary mety hihatra amana aina mihitsy aza izany . Ny zava-nisy  nahatonga  ny fanehoana ny fahoriana eto  dia ny  nataon’ny mpitondra  tsy  mivavaka mankahala sy manaratsy  mpivavaka ka manenjika sy mihevitra  ny hamongotra azy ireny  ary izay ilay hoe : mampitondra fahoriana .

2-Ny  fahantrana :

Vokatry ny fifandraisan’ny olona  samy olona  eo amin’ny fiaraha-monina  izany , satria miovaova  izao  fiainana izao  . Voalaza  hoe : nahantra  ny olona teto nefa ny tena marina dia nampahantraina tahaka izay nisy  tamin’ny kristiana Hebreo  fahiny (Heb  10.34) . Raha  ny marina dia fahantrana  hita  ety  ivelany  ihany izany  , fa manankarena  ao anaty  kosa izy  noho ny fifandraisany  tamin’ny Tompo  . Ity  ilay atao hoe : “joko mihasolanga” . Ampitahao  amin’ny zava-nisy  tany Laodikia  (Apo  3.17)  izay  antsoina kosa hoe : “solanga mihajoko

3-Ny fitenenan-dratsy  ataon’ny milaza  ny tenany ho Jiosy

Ny  fanaratsiana indrindra no ambara  amin’izany  izay mahakasika ny sehatry  ny fivavahana . Mivondrona izy ireo  , tsy voatery   ho any ivelany  fa ao anaty fiangonana mihitsy  , olona mifanerasera mihitsy  , nefa dia tena mahasahy  manaratsy  .Tsy  ireo  ihany akory  ny zava-mahazo  ny olona , fa entina hilazana ny santionany  amin’izay  zava-manjo  ireo  . Tsy  mamela ny olona ho irery  ny Tompo  , satria Izy  no efa niharan’ireny  ka manana vahaolana amin’izany  (Jereo  Mat 11.28) .

Fanontaniana :

Inona no vahaolana omen’ny Tompo  ireo  tra- pahoriana ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM