Ny lehilahy anti-panahy na zokiolona
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Aprily 2024
Titosy 2. 1-6
Titosy 2. 1-6
1 [Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema*; [* Gr. salama] 2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka* amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [* Gr. salama] 3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara, 4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, 5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy* ny tenin'Andriamanitra. [* Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3] 6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;1-Nv lehilahy anti-panahy na zokiolona
Ho ohatra amin’ny fahononan-tena, ny fifehezan-tena ny zokiolona, fanaja ny zokiolona ary izy ireny no ohatra halain- tahaka amin’ny etika kristiana eo anivon’ny fiombonan’ny mpino. Ry zokiolona ô, mahazo haja ianao, tsy hoe noho ny soatoavina apetraky ny kolontsaina ihany fa teraka ao am-pon’ny olona ny haja noho ny etika maha te hidera eo anivon’ny mpino. Ny lehilahy anti-panahy na ny zokiolona dia ho fianatry ny lehilahy tanora fanahy, mba hahaizany mamehy tena amin’ny zavatra rehetra ao amin’ny fiombonan’ny mpino.
2-Ny vehivavy anti-panahy na vehivavy lehibe
Ho ohatra ho an’ny tovovavy, ho loharano amin’izay hananany fitondran-tena sahaza (etika). Tsy mahazo haja ny vehivavy lany andro amin’ny fanaratsiana ny hafa, na takoritsika, ny fosafosa na tsy mahalala onony amin’ny fihinanana sy fisotroana. Izay takiana eto dia ny vehivavy miavaka amin’ny hafa; mino, manana fifehezan-tena amin’ny sakafo.
Vehivahy lehibe ho fianatry vehivavy tanora fanahy; ary ho tonga fitaratra ho an’ny vady aman-janaka. Tsy ho an’ny tokantrano ihany akory ny fitondran-tena tsara fa ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ihany koa.
Fanontaniana:
Mba misy lanjany eo amin’ny Fiangonana ve ny fisian ‘ireo anti-panahy amin ‘izao fotoana izao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe