Ny lalan’ny fibebahana marina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Janoary 2023
SALAMO 51.1-19
SALAMO 51.1-19
1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy. 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala] 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. 13 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao. 14 Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako*.[Heb: ny lelako] 15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. 16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. 17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. 18 Manaova soa amin'i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan'i Jerosalema. 19 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin'ny afo; dia hanatitra vantotr'ombilahy eo amin'ny alitaranao ny olona.Ny lalan’ny fibebahana marina
Izay rehetra maniry hanana fiainam-baovao ao amin’i Kristy dia aoka samy haka lesona avy amin’ity vavak’i Davida ity .
1- Miaiky fa mpanota (and 3-6)
Fantatr’i Davida fa Andriamanitra dia mpamindra fo sy be fiantra ,ka raha te-hahazo famelan-keloka avy Aminy dia tsy maintsy miaiky fa diso.Toy ny olona mihosina amin’ny loto sy ny no fahatsapan’ i Davida ny tenany ka mila fotaka no fahatsapan’i Davida ny tenany ka mila fanadiovana (and 2),tsy mety afaka ao an-tsainy ny fahotany (and3). Nahatsiaro ho nanota tamin’Andriamanitra izy (and 4),tsy misy fanamarinan-tena azo atao afa-tsy ny mitsotra sy mibaboka eo anatrehan’Andriamanitra mba hahazoana famindrampo .Izany no atao hoe: fiaiken-keloka .
2-Mangataka ny hodiovin’Andriamanitra (and7-12)
Fantatr’i Davida ny voka-dratsy ateraky ny fialonana sy ny tsy fahazoana famelan-keloka.Mangataka izy mba ho voasasa sy voadio ka tsy hisy pentipentina na loto intsony , mba ho voakosoka eo anatrehan’Andriamanitra ny fahotany rehetra . Te- hanana fo sy fanahy vaovao izy (and10).Tsapany fa ny olona miaina anatin’ny loto sy ny fotaky ny fahotana dia tsy mahita fifaliana (and 8,12). Tsy te-hisaraka amin’Andriamanitra intsony izy.
3- Manolo-tena ho azy (and 12-19)
« dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao Aho ,ary ny mpanota hampiverenina Aminao »(and12). Ny fanoloran-tena hanao ny asan’Andriamanitra no porofon’ny fibebahana marina.Izay efa nandray famelan- keloka dia hanana finiavana hamonjy ny hafa ,hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra (and15). Ny fanatitra tsara indrindra dia ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny fo manetry tena sy tsy miavonavona .
Fanontaniana:
Efa vitanao ve ireo dingana telo ireo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM