Ny lalàn’ny fanahin’ aina no mahavelona

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 8.12-21
12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. 18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria]

Ny lalàn’ny fanahin’ aina no mahavelona

Tsy misy afa-tsy ny asan’ny Fanahy Masina ihany no ahafahana mamono ny asan’ny nofo mba tsy handevozin’ny fiainam-pahotana isika (and12-13). Manamarina ny maha- zanak’ Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina. Tsy ny hamonjy ihany fa ny hanangana antsika ho tonga zanak’ Andriamanitra tokoa sy mpiray lova amin’i Kristy (and15) no asan’ny Fanahy Masina . Izy no mampahatoky ny fanahintsika izany sata maha-zanak’ Andriamanitra izany raha tojo fisalasalana isika. Ny fanafahana rahatrizay ny zavaboahary rehetra. Na dia mbola tsy tonga amin’ny fahafenoany aza ny asam-panavotana ary mitaraina sy miandry ny famotsorana azy amin’ny ota aza ny voahary rehetra , raha miara-miaritra miaraka amin’i Kristy isika amin’ny fanangolen’ny ota, dia azo antoka fa tena hiara- mandova Aminy ny voninahitra rahatrizay (and21).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8