Ny làlan’ny fahombiazana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Febroary 2024
Josoa 1. 1-9
Josoa 1. 1-9
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy: 2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely. 3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy. 4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo. 5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. 6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy. 7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry] 8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry] 9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.Ny làlan’ny fahombiazana
Josoa no nofidian’Andriamanitra nandimby an’i Mosesy nitarika ny zanak’i Israely hiditra ao amin’ilay tany Kanana.
1- Mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra
Mazava tsara ny voalaza ao amin’ny and.8 «aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity…» ny Tenin’ Andriamanitra no mitondra sy manapaka ny fiainana manontolo. Fanoloran-tena marina ho an’Andriamanitra ka didy sy ny fitsipika nomen’Andriamanitra no mameno ny fiainana, mitondra amin’ny atao rehetra. Omeo toerana eo amin’ny fiainanao ny Tenin’Andriamanitra dia hahita fahombiazana ianao. Isan’andro dia mazotoa mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana tari-dalana hitondrana ny fiainana.
2-Matoky ny fitondran’Andriamanitra
Andraikitra lehibe no natolotr’Andriamanitra an’i Josoa. Nitarika ny zanak’Israely handova ny tany. Mampahery sy manome toky azy eto Andriamanitra fa efa anjara lova nomena ny zanak’Israely ny tany Kanana izay hodiavin’ny tongony sy hitan’ny masony. Ny anjarany dia ny mino sy mandeha amin’ny finoana eo ambany fitarihin’Andriamanitra. Momba azy Andriamanitra raha mitandrina ny didiny sy ny fitsipika nomeny i Josoa.
Fanontaniana:
Inona avy ireo sakana tsy ahitan’ny olona fahombiazana eo amin’ny asa fanompoana nanendren’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe