Ny lalàn’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Febroary 2020
SALAMO 19.7-11
SALAMO 19.7-11
7 Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina. 8 Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. 9 Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. 10 Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra. 11 Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.Ny lalàn’ Andriamanitra
1-Manambara ny fitiavany (and7)
Ny hevitry ny andianteny hoe: « mamelombelona ny fanahy » dia manana ny fomba fisainana mifanaraka amin’ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fitiavany. Vavolombelon’ny sitrapon’ Andriamanitra manoloana ny vahoakany ny lalàna . Tsy raisina ara-bakiteny sy araka ny hevitra ambarany dia fanajana ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fitiavany ny vahoakany izany . Ao amin’ny lalàna ihany anefa no hahatakarana izany , izay tsy hafa akory fa ny finoana an’i Jesoa Kristy (Rom 3.21,22) . Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no hahatakaran’ny olona ny fitiavan’ Andriamanitra azy sy ny fahamasinany .
2-Manambara ny fahamarinany (and 8)
Voambolana maromaro no ampiasaina entina ilazana ny toetran’ny lalàn’i Jehovah eto : »tsy misy tsiny » « mahitsy », »madio », »marina », ny lalàna no manambara ny fahamarinan’ Andriamanitra . Ary izany lalàana izany no manoro ny làlana tokony halehan’ny olona . Mitarika ny olona amin’ny làlana marina ny lalàn’i Jehovah , lalana madio ary mitondra fifaliana . Ary izany lalàna izany no mitarika ny olona ho ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay fahamarinana (Jao 14.6) dia Jesoa Kristy , Ilay ambaran’ny lalàna . Koa izay rehetra mamaky sy mandinika lalàna tsy ao amin’i Jesoa Kristy dia ho diso làlana .
Fanontaniana:
Tsapanao ve ny fitiavan’ Andriamanitra anao amin’ny fiainanao ny lalàna?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM