Ny Kristiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Novambra 2024
Efesiana 4,25 - 32
25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika. 26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly. 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana. 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. 31 Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana] 32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.Ny Kristiana
1- Tsy ho tia lainga (and. 25)
Hitatsika fa nisy nifampilaza lainga ireto Kristiana ireto, ka niaina tamin izany. Fikorontanam-piainana anefa ny vokatr’izany satria efa voa ny saina. Satria izay rehetra renesin’ny sofina dia lainga avokoa. Ny lainga ihany koa dia mampidi-doza ny namana…
2- Tsy manisy ratsy izay olona nanisy ratsy azy (and. 26)
Raha sendra tezitra noho ny ataon’ny olona dia tsy tokony hanao fihetsika izay midika fahotana toy ny manompa, miteny ratsy. manozona, mikafara. Ary tsy tokony ho entina hatory fa manjary mivadika ho fisaintsainana ratsy avaly azy na alahelo manimba ny tena.
3- Tsy manao marimaritra iraisana amin’ny devoly (and 27)
Rehefa mahafantatra hoe ratsy na avy amin’ny devoly ny fihetsika iray dia tsy atao ka hanao marimaritra iraisana. Toherina fotsiny tsotrizao izy. Tsy ampy fotsiny ny mangataka fiarovana amin’ Andriamanitra hiarovan-tena amin’ny devoly, fa roahina hiala amin’ny anaran’i Jesoa mihintsy izy, satria izy raha vao avela hijanonjanona eo dia mamono olona foana ary manao izay ialantsika amin’ny famonjena.
4- Tsy mangalatra (and 28)
Ny atao hoe mangalatra dia maka izay tsy an’ny tena na izay tsy nomena fahefana ataon’ny tena na inona antony na inona.
Fanontaniana
Efa tanterakao ve ireo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe