Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Jolay 2017

Manaiky ho  vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Asan'ny Apostoly 14,1 - 10
1 [Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] 2 Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy. 3 Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany 4 Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly. 5 Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony, 6 ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy, 7 dia nitory ny filazantsara tany. 8 Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra; 9 izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, 10 dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.

Manaiky ho  vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Asan’ny Apostoly  14.1-10

Ny iraka  manaiky ho vavolombelon’ny Tompo.

1-Mivonona  hiatrika  fanoherana

Tsy nahafaly ny Jiosy sasany ny fitoriana  ny Filazantsara nataon’i Paoly sy i Barnabasy tany Ikonioma . Nisy  tamin’ ireo  no niatrika ny vahoaka hikomy sy hanohitra azy mirahalahy ampahibemaso sy tamin’ny heriny manontolo . Mandraka ankehitriny  dia mbola maro  amin’ny mpitory ny Filazantsara  no miatrika fanoherana noho ny fisian’ny olona manohitra sy mandà mafy ny fivavahana kristiana .

2-Omen’ny  Tompo  tolo-tànana

Niitatra  sy nihamafy  ny fanoherana  an’i Paoly sy I Barnabasy ka tonga  hatramin’ny fikasana hitora-bato  azy ireo  . Narovan’ Andriamanitra  tamin’izany  tetika ratsy  izany anefa  ny irany   ka afa-nandositra soamantsara  tany amin’ny tanàna hafa (and6) . Sady  fiarovana  izany   no fanohizana ny iraka  nampanaovina . Omen’ Andriamanitra tolotsaina mandrakariva  ny irany  manoloana ny loza mila haningotra aina .

3-Hanehoany ny heriny

Na dia nisy   aza ny  fanoherana  nitarika  ho  amin’ny fandosirana , tsy niafina mandrakizay  tsy akory  ny  Apostoly . Nanohy  ny  iraka nampanaovin’ny  Tompo azy  hatrany  izy ireo  nomban’ny herin’ Andriamanitra  (and3b,8-10 ). Hanehoan’ Andriamanitra ny heriny mandrakariva  ny irany izay matoky azy ka izany no hahasahiantsika mijoro  ho vavolombelon’ny  Tompo  hatrany  na dia mafy  aza ny  fandavana sy ny fanoherana .

Fanontaniana :

Tsapanao ve ny herin’ Andriamanitra miasa amin’ny alalanao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM