Ny hiseho any am-parany any

Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Aprily 2020

DANIELA 12.1-3

DANIELA 12.1-3
1 Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. 2 Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. 3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.

Ny hiseho any am-parany any

1-Fahoriana

« Ary hisy andro fahoriana , izay tsy misy tahaka azy hatrizay » (and1). Manamafy an’ity faminaniana ity ny voalaza ao amin’ny 2 Tim 3.1 manao hoe: »Fa aoka ho fantatrao izao fa any am-parany any dia hisy andro mahory » . Miseho amin’ny endrika maro samihafa izany fahoriana izany ankehitriny : fahasahiranana, tsy fahampiana amin’ny endriny samihafa ,olana isan-karazany , eo koa ny lafiny toetrandro , ireo voina sy raga miseho etsy eroa maro tsy voatanisa.

2-Fiarovana

« Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela , izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao » . Ny Tompo dia mandray andraikitra manoloana ny asan’ny maizina sy ny teti-dratsin’i satana .Tandindon’ny Mesia izay manana andraikitra hanafaka ny mpanara-dia ny Tompo izany.

3-Fitsanganana amin’ny maty

« Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha , ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay , ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay » (and2). Maminany izay hitranga any amin’ny fitsaran’ny lanitra ity andinin-tsoratra masina ity. Ireo izay avotra ho any amin’ny fiainana dia tsy ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana(Apo 20.6) .Ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa kosa dia mijinja ny valin’asany amin’ny fahafatesana faharoa dia ny farihy afo (Apo 20.14).

Fanontaniana:

Inona no hatao mba hampahafantarina any amin’izay mbola ao anaty aizina fa ho very izy ireo raha tsy mibebaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM