« Ny hiran’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona. »

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Aprily 2022

Romana 8. 31-39

Romana 8. 31-39
31 Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? 33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. 34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. 35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22). 37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, 39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

« Ny hiran’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona. »

Voalaza voalohany eto ary fa tahaka ny voapanga eo anoloan’ny fitsarana ny olona, tsy afaka hiaro tena noho ny fahotany kanefa ambara mazava kosa fa izay mino an’Andriamanitra dia ombany ka omeny vahaolana noho izany tsy hisy afaka hiampanga azy velively.

Raha misy miampanga àry ny olon’Andriamanitra dia Andriamanitra mihitsy no manamarina azy, raha misy manameloka indray dia i Jesoa Kristy no efa maty nisolo ny heloky ny olony ary efa nitsangana koa fa mifona ho an’ny olona mandrakariva. Mariho tsara izany fa na amin’ny fahafatesany, na amin’ny fahavelomany dia mihevitra ny olony hatrany Izy.

Izany zavatra rehetra izany dia foin’Andriamanitra ho an’ny olona maimaim-poana. Izany no ambara hoe fitiavan’Andriamanitra ny olony.

Manoloana izany ary, inona no andrasan’ny Tompo ? Ny zava-misy manodidina ny olona dia manao izay ampisarahana azy amin’ny Tompo hatrany, araka ny voalaza eto toy ny fahoriana, ny fahantrana, ny fanenjehana, ny mosary, ny fitanjahana, ny loza, ny sabatra kanefa raha tena resy lahatra amin’ny fitiavan’ny Tompo azy kosa ny olona dia tokony ho vonona hanohitra izany rehetra izany. Voalaza eto mantsy fa raha mino sy mahatoky Azy tokoa ny olona dia afaka hanampy azy ny Tompo araka ny ambara eto hoe tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy na inona na inona.

Fanontaniana :

Fantatrao, tsapanao, iainanao ve ny hiran’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona ?