Ny herin’ny Tenin’i Jesoa sy ny fahefany amin’ny ratsy sy ny demonia
Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Febroary 2025
Sal 93 / Hira 6:12 / Mofonaina / Hiva 334
Lioka 4.31-37
31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. 32 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. 33 Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy 34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. 36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. 37 Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.Jesoa mampiseho ny heriny no resahina eto. Kapernaomy izay midika hoe tananan’i Nahoma na tanana fanovozana hery. Tsy kisendransendra raha toa ka tao no nanehoan’i Jesoa ny fahefan’ny Teny izay mahagaga sy manome hery ary manafaka. Manana fahefana ny Tenin’i Jesoa ka:
1. Manaitra izay tena mihaino (And.32)
Ny teny hoe talanjona dia misy heviny iray hafa koa ao amin’ny teny fototra hoe taitra mafy. Ny zavatra manaitra mafy dia zavatra tsy nampoizina, tampoka ary tsy mahazatra.
Ary tsy mahagaga raha tampoka tamin’ny olona ilay teny satria tsy toy ny fandre isan’andro. Teny mampitodika ny olona amin’ Andriamanitra indray ary azo antoka fa teny mitondra ho amin’ny famonjena ka mampahazo aina ny mandre azy. Tokony hisy akony ny Tenin’i Jesoa izay efa notoriana taminao.
2. Mandresy ny asan’ny demonia (And 33-36)
Nisy olona izay efa voafatotry ny demonia, azo heverina fa mitady fanafahana dia namonjy Synagoga. Nifanojo tamin’i Jesoa ary mba te hiaraka amin’Andriamanitra izy fa nosakanan’ny demonia. Fa rehefa tonga Jesoa dia nilaza tsy nanontaniana ny hakelin’ny fahefany ny demonia ary natahotra fandringanana. Tonga Ilay Tompon’ny fahefana rehetra ka niala maina hatramin’ilay ratsy izay namatotra hatrizay.
Aza avela hisy hamatotra anao tsy ho ao amin’Andriamanitra, fa raha misy izany ka tianao ho rava dia antsoy Jesoa. Sarotra ho an’ny olona ny mandresy ny asan’ny ratsy raha tsy manana an’i Jesoa Tompon’ny hery sy ny fahefana.
Fanontaniana:
Mbola manaitra anao ve ny mandre ny Tenin’i Jesoa feno hery sy fahefana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe