Ny herin’ny olona mino dia ny herin’ny Andriamaniny

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Jona 2024

Salamo 44. 1-8

Salamo 44. 1-8
1 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny. 2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. 3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. 4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba. 5 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. 6 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. 7 Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. 8 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.

Ny herin’ny olona mino dia ny herin’ny Andriamaniny

1- Satria Izy no manome fonenana azy ireo (and 1-3)

Fantatsika fa tanin’olona io tany Kanana nomena ny Isiraely io. Niczaka niaro io taniny io ihany ny kananita saingy nampian’ i Jehovah Tompon’ny tany ny Zanak’Isiraely ka naharesy azy ireo. Tsy misy ry havana, olona miady toy izany ka mety hahita fandresena raha tsy misy ny herin’Andriamanitra. Ny olombelona aza matetika tsy mahasahy miady amin’ny herin’ny tenany loatra! fa mbola mila maka fanampian’ny andriamaniny e! (maka ody samihafa satria tsy matoky tena). Ny Isiraely olon’Andriamanitra kosa dia ombany ka tsy maintsy maharesy ho azy, dia indro izy ireo fa manana fonenana soa. Zanany ireo, vahoakany, mazava ho azy tsy maintsy karakarainy toy izany. Hoy i Jesoa: « Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita ianareo, dondony dia hovohana ianareo » (Mat 7. 7)

2-Satria Izy no manome fandriam-pahalemana azy ireo (and 4-8)

Ny mpanjaka foana no voalohany tokony hiady hanome fandriam- pahalemana ho an’ny vahoakany ka mitarika ny miaramilany mba hiady amin’ny fahavalo. Jehovah no mpanjakan’ny Isiraely izay nanome fandresena azy tamin’ny ady nataony rehetra. Miady ny samy Andriamanitra ka iza moa no haharesy an’i Jehovah mpiady mahery. Ry havana, mbola Izy ihany koa no tsiambaratelon’ny herin’ny kristiana. Mandry fahizay ny tany rehefa Izy no manjaka.

Fanontaniana:

Raha ianao mandinika ny fainanao, dia inona Isiambaratelon’ny herinao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe