Ny herin’i Jesoa
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Janoary 2020
MARKA 8.22-26
MARKA 8.22-26
22 Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba. 23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao? 24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. 25 Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. 26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.Ny herin’i Jesoa
1-Hitan’izay manam-pinoana
Nentin’ny olona ity lehilahy jamba ity hanatona an’i Jesoa , ary ireto nitondra azy ireto dia nino tokoa fa raha kasihin’i Jesoa fotsiny ilay jamba dia hahiratra . Io finoana nananan’ireo nitondra azy dia ampy nahatonga an’i Jesoa handray ilay lehilahy sy hitantana azy ho any amin’ny fahiratana . Manàna finoana fa hitan’i Jesoa izany .
2-Hikarakarany izay tonga eo Aminy (and23)
« Ary nitantana ilay jamba » i Jesoa , izany hoe: noraisiny an-tànana ity lehilahy tonga eo aminy ity , tsy nailiny , fa nanehoan’i Jesoa ny heriny na dia tany ivelan’ny tanàna kosa aza no nanasitranany azy . Ny hevitry ny teny hoe : tànana mantsy , ankoatry ny hoe : fanampiana dia teny fampiasa ilazana ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ary ny asa ataony koa. Eto izany dia mahatsapa tanteraka ny herin’i Jesoa mandray an-tànana azy ity lehilahy jamba ity , na dia fanasitranana miandalana aza no hita eto . Io fanasitranana miandalana io koa anefa dia nentin’i Jesao hisarika ny sain’ny mpianany hahalala fa Izy no Mesia .
2-Tsy entiny mizahozaho (and26)
Marina fa misy ny antsoina hoe: tsiambaratelo mesianika ao amin’i Marka , izany hoe: finiavan’i Jesoa tsy mbola te-hiseho , fa etsy ankilany dia tsapa eto ny fanetretenan’i Jesoa , izay na dia manana ny herin’ Andriamanitra aza, nampahiratra ny jamba , dia tsy nampiasa izany hilam-boninahitra na deradera . Porofon’izany no nilazany mba tsy hiditra ao an-tanàna akory ity vao nositraniny ity . Mianara amin’i Jesoa , aza tia sehoseho na mila voninahitra amin’ny asa soa atao.
Fanontaniana:
Maninona ny olona no mbola mila deradera rehefa mba manao soa ny hafa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM