Ny herin’ Andriamanitra miasa ao anatin’ny olona

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Aprily 2023

SALAMO 41.4-13

SALAMO 41.4-13
4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. 5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? 6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. 7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. 8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. 9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. 10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy. 11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy. 12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. 13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.

Ny herin’ Andriamanitra miasa ao anatin’ny olona

1-Ahatsapana ny maha-mpanota

Mpanota avokoa ny olona rehetra ka » tsy misy marina na dia iray aza » (Rom 3.10) .Ny zanak’olombelona dia tena variana amin’izao fiainana izao ka tsy mahatsiaro an’Andriamanitra .Eto kosa anefa dia niasa tato anatin’ny mpanao salamo ity ny herin’Andriamanitra ka nampirisika azy hifona , hangataka famindrampo sy fiantrana ary fanasitranana avy amin’Ilay Andriamanitra .Tsapany fa diso teo anatrehany izy ka hoy izy : « Efa nanota taminao aho » (and4) .Ny fahatsapana ny hadisoana teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fahasahiana hiantoraka Aminy dia tena zava-dehibe amin’ny fiainam-panahy hahazoantsika misitraka ny famelankeloka .Maneke fa mpanota isika .

2- Mahatonga antsika ho sahy hitaraina amin’Andriamanitra

Tonom-bavaka ity nataon’ny mpanao Salamo ity .Fantany tsara ny toetry ny fahavalony .Tsy nanana tahotra izy hilaza izay ao am-pony . Notanisainy avokoa ireo toetra ratsin’ny fahavalony , fa izay tena nampalahelo ny mpanao salamo dia ny fahitana ny sakaizany izay tiany indrindra nivadika taminy .Sahy nitaraina ny mpanao Salamo ary nangataka ny herin’Andriamanitra mba hanangana azy . Fahasahiana tahaka izany no andrasan’ny Tompo amiko sy aminao .Zava-dehibe ny fahatsapana fa tsy misy azo antenaina afa-tsy Andriamanitra irery ihany .Araka izany , aoka tsy hisalasala miresaka sy mitaraina Aminy , fa i Jesoa dia efa nilaza izany ao amin’ny Matio 11.28

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fisehoan’ny herin’Andriamanitra eo amain’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM