Ny hahatongavan’ny Fanahin’ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Mey 2025
(Sal 23. 1-6 / Hira185,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 451.1-2)
Jaona 16.12-15
12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. 15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.Ny hahatongavan’ny Fanahin’ny fahamarinana
Matoa misy ny iraka dia misy ny antony. Ny hahatongavan’ny Fanahy Masina dia:
1- Hampianatra sy hitari-dalana
Anarana iantsoana ny Fanahy Masina koa ny hoe Fanahin’ny Fahamarinana. Io no hitari-dalana sy hanazava amin’ny mpianatra ny amin’ireo fampianarana nambaran’i Jesoa nefa tsy azony. Hampianatra azy ireo izay tsy voalazan’i Jesoa mivantana tamin’izy ireo koa noho i Jesoa izay tsy maintsy hisaraka aminy. Hampianatra azy ireo ny marina tokony hiainana. Ny marina satria tsy izay tiany ho tenenina no tenenina fa izay marina asain’ Andriamanitra teneniny ihany. Raha ny Fanahy Masina tokoa no avelantsika hitarika antsika dia hahafantatra sy hiaina amin’ny fahamarinana hatrany isika.
2- Hankalaza an’i Jesoa Kristy
Ny Fanahy Masina dia izay momba sy ny sitrapon’i Jesoa Kristy ihany no hambarany satria izy io dia hirahin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Izany hoe hanambara sy hankalaza ary hijoro vavolombelon’ny fahaveloman’i Jesoa krišty izy. Izy no manohy ny asa natombok’i Jesoa amin’ny fananarana sy fandresena lahatra ny olona mba handraisany sy hahatanteraka ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny olona itoeran’ny Fanahy Masina dia mankalaza an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Manaiky ve ianao hampianarin’ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe