Ny hafatry ny Tompo entin’ny Mpaminaniny dia:

Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Novambra 2022

EZEKIELA 34.1-10

EZEKIELA 34.1-10
1 [Ny amin'ny mpiandry ondry ratsy fanahy, sy ny mbola hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry? 3 Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo. 4 Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy. 5 Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra. 6 Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy. 7 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry: 8 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko, 9 dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry. 10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.

Ny hafatry ny Tompo entin’ny Mpaminaniny dia:

1-Ho an’ny mpiandry ondry tsy marina (and2-3)

« …ny taviny dia haninareo ary ny volony tafinare , ny nafahy vonoinareo, nefa ny ondry tsy mba andrasanareo... ».Ny mpiandry ondry lazaina eto dia ny mptondra tao Joda .Nijaly ny vahoaka satria ny tombotsoa rehetra lasan’ny mpitondra ka zary mihafihafy sy miaritra ny tsy rariny amin’ny lafiny samihafa ny vahoaka ,tsy rainy ara-tsosialy , tsy rariny ara-pivavahana …Misy alaim-panahy hanao toy izany ny mpitondra sasany ankehitriny eto amin’ny firenentsika.Heloka izany . Fanaovana an’Andriamanitra ho tsy misy. Tandremo fa ny adala no manao izany , araka ny filazan’ny mpanao salamo hoe : « ny adala no manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra  » (Sal 14.1)

2- Ho an’ny mpiandry ondry manam-pahefana (and4)

« Tsy manatanjaka ny malemy ianareo na manasitrana ny marary ,na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahana na mikatsaka ny very fa loza loatra ny fampanompoanareo azy » .Ny mpanjaka tao Joda sy ireo mpanapaka miaraka aminy ihany no lazaina eto .Nomen’Andriamanitra fahefana mba hitondra ny vahoakany izy ireo ,hammpiadana ny vahoaka sy hampandry fahalemana azy ao amin’ny taniny , kanefa tsy nampiasa izany fahefana izany araka ny tokony ho izy fa nanampatra izany ka zary loharanom-pahoriana ho an’ny olona indray aza .Tsy ankasitrahan’Andriamanitra velively izany . Ry havana, tandremo ny fanamparam-pahefana fa tsy tompon’ny fahefana isika fa mpindrana .Samia mandanjalanja !

Fanontaniana:

Efa mba nisy fotana ve isika nandray anjara tamin’ny halatra tombotsoam-bahoaka tao amin’ny toeram-piasana : fokontany , kaominina , fanjakana foibe, fiangonana izay misy antsika… ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM