Ny fonenana mandrakizay
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Janoary 2024
Apokalypsy 21. 9-14
Apokalypsy 21. 9-14
9 Ary tonga ny anankiray tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra* ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia et?, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry. [* Gr. feno] 10 Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra, 11 sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly; 12 ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'isiraely; 13 eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. 14 Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.Ny fonenana mandrakizay
Mino ny fisian’io fonenana mandrakizay io isika Kristiana, io ilay antsoina hoe : « Jerosalema vaovao ». Izany no mahatonga antsika tsy hamoy fo tahaka ny sasany manoloana ny fahafatesana :
1- Tanàna masina mamirapiratra (and 10,11)
Anisan’ny mampiavaka azy ny fahamasinany sy ny famirapiratan ‘ny voninahitr’Andriamanitra ao aminy, araka ny fahitana naseho an’i Jaona Apostoly. Atao hoe « masina » izy satria foana tanteraka sy tsy misy ao amin’ izany tanàna izany intsony ny fanoherana an’Andriamanitra. Tsy hanana anjara lova ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra mihitsy izay rehetra manohitra an’Andriamanitra. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana araka ny Tenin’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no hananantsika fanantenana honina ao amin’ io fonenana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra io.
2- Misy toerana ho an’ny olona rehetra
Efa nolazaina teo aloha ny fepetra takiana amin’ny olona ho tafiditra ao amin’izany tanàna izany. Izany akory tsy midika hoe : voafetra ho an’ny olom-bitsy ny fonenana ao. Amin’ny lafiny ilany, ny isa “roa ambin’ny folo » dia manondro ny firenen’ Israely sy ny Apostoly (and.14) izany hoe: mampifandray izay voalazan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Fa amin’ny lafiny iray faharoa kosa, ny isa roa ambin’ny folo dia milaza fahafenoana na fahatanterahan’ny asan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, ka noho ny asam-panavotana nataon’i Kristy dia afaka mandray olona marobe avy amin’ny firenena rehetra sady misy toerana ho an’ny mpino rehetra maneran-tany amin’ny taona rehetra io « tanàna masina » io.
Fanontaniana:
Efa azonao antoka ve ny hahatafiditra anao ao amin ‘ny fanjakan ‘Andriamanitra? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Écrire à 🦋 Les Rabelison 🦋